- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFokontany Ambinany Soanierana Ivongo : Trano manodidina 300 lasan’ny ranomasina…

Fokontany Ambinany Soanierana Ivongo : Trano manodidina 300 lasan’ny ranomasina…

Mitaraina ireo fokonolona ao amin’ny fokontany Ambinany distrikan’i Soanierana Ivongo, fa lasan’ny ranomasina ny tranon’izy ireo izay maniodidina ny 300 eo, satria efa mananiky ny manodidina 500 m miditra aty an-tanety ny fiakaran’ny ranomasina amin’izao fotoana izao. Raha ny fijoroana vavolombelona ny fokonolona any an-toerana dia ny fanamboarana ilay seranan-tsambo tsy mety vita no miteraka izao olana amin’ny fiakaran’ny ranomasina izao. Eo ihany koa ny zavatra ataon’ireo olom-boatendry isan’izany nhy filoham-pokontany, sy olom-boafidy ao anatin’izany ny ben’ny Tanana, ary ny mpanjono hoy ireo vahoaka rava trano nijoro vavolombelona nataon’ny ranomasina ao Ambinany Soanierana Ivongo. Nomarihan’ireo fokonolona hatrany fa tsy mbola nitranga izao fiakaran’ny ranomasina manimba fananan’ny vahoaka izao, fa hatramin’ny nisian’io fanamboarana seranan-tsambo izay tsy mety vita ao Ambinany io no tena miteraka izany. nomarihan’ireo vahoaka kosa anefa fa tsy manakana ny fananganana seranan-tsamno any an-toerana izy ireo ho tombontsoan’ny be sy ny maro amin’ny fitaterana an-dranomasina, fa saingy tsy tokony atao amin’ity toerana nametrahana azy ity izany hialana amin’izao tranga fiakaran’ny ranomasina nanimba trano marobe izao. Raha tsy misy ny fijerena akaiky izao tranga misy ao Ambinany Soanierana Ivongo izao dia tsy hita ao anaty sari-tanin’i Madagasikara intsony ity fokontany Ambinany ao Soanierana Ivongo ity tsy ho ela lasa any anaty ranomasina. Vokatra izany dia manao antso avo amin’ny rehetra indrindra ny mpitondra fanjakana ireo vahoaka rava trano noho ny fiakaran’ny ranomasina, ka tsy manan-kialofana amin’izao, mba hijery akaiky ireo toe-javatra izao, mba tsy hihitatra amin’ny toeran-kafa sy zavatra hafa indray.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici