- Publicité -
dimanche, octobre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFokontany Depot Analakininina Toamasina I : Hita faty tao an-tranony i Nomenjanahary...

Fokontany Depot Analakininina Toamasina I : Hita faty tao an-tranony i Nomenjanahary Elysio nifampitadiavana

Tamin’ity herinandro ity dia nivoaka tao amin’ny tambanjotra « facebook » ny fitadiavana an’i Nomenjanahary Elysio izay 32 taona, izay tsy hita nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Raha ny vaovao azo farany anefa dia hita ihany ny tenany saingy efa maty irery tao an-tranony no nahitan’ny olona azy tokony tamin’ny 07ora hariva ny alakamisy 13 aogositra. Tao amin’ny fokontany Depot VI Analakininina P/elle 23/44 nipetrahany no nahitan’ny olona azy, raha naheno fofona maimbo be nivoaka avy tao amin’ity trano misy rihana nipetrahany. Raha ny fijeren’ny olona tao amin’ny fokontany nipetrahany efa ela no namonoan’ny olona azy tao an-tranony ity, saingy tsy nisy nanampo izany ireto vahoaka manodidina azy fa niezaka nikaroka azy fotsiny. Mety nisy namono ny tenany satria nahitana ratra ny vatany efa simba teo am-pandriana. Nahita ireny « tournevis » ireny tsy lavitra ny vatany nitsirara, ary miasa avy eo amin’ny « institut pasteur » mpanao « prélèvement » eto Toamasina halefa ao Antananarivo. Ny nataony ny fianakaviany alohan’ny valin’ny fitiliana natao ahafantarana ny fomba nahafaty azy, dia nentin’izy ireo nihazo nihazo an’i Moramanga niaviany ny vata mangatsiakany. Manao fanadiadiana mikasika ny nahafaty azy izao koa ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana eto Toamasina misahana ny raharaha, ka nadrasana ny valin’izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici