- Publicité -
jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversFokontany Mangarano II P/elle 11/47 : Natomboka ny fanisana ireo mpifidy vaovao

Fokontany Mangarano II P/elle 11/47 : Natomboka ny fanisana ireo mpifidy vaovao

Raha ny fandaharam-potoam-panjakana dia ny 1 oktobra teo ny fanombohan’ny fanisana ny mpifidy vaovao tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy, efa natomboka tao Antananarivo izany. Ny 4 oktobra teo kosa noho ny fandaminana vao natomboka izany fanisana ny mpifidy vaovao izany, ka nosafidiana manokana ny tao amin’ny fokontany Mangarano II P/elle 11/47 noho habehany sy ny fahamaroan’ny olona ao aminy.

Niantomboka tamin’ny “carnaval” ny fanisana ny mpifidy vaovao, ka araka ny tenin’ny prefen’i Toamasina dia “mila mahatratra mpifidy vaovao 3.000.000 ny CENI araka ny isan’ny mponina eto amintsika. Lalana raha teo no mametraka ny fanavaozana ny lisitra izay tsy maintsy atao isaky ny folo taona”. Nomarihan’ny prefen’i Toamasina hatrany fa manao fanamiana manokana sy mitondra “badge” ireo mpanisa mpifidy noraisin’ny CENI hitety trano. Ho an’ny Commissaire Electorale Atoa Ravalitera dia “fifidianana tsara omana, azo antoka, andraisan’ny rehetra anjara, antoky ny fitoniana sy ny filaminana”. Nomarihany hatrany fa afaka manara-maso sy miditra ary amporosihana amin’izany, ao anatin’ireo mpanisa ny mpifidy ireo ny fikambanana misahana ny fifidianana sy ny antoko politika samy hafa. Ny 10 jona 2023 vao hifarana ity lisitra vaovao ny mpifidy ity, ka aorian’izany vao lasa lisi-pifidianana ny fanavaozana manokana natao ity, hoy hatrany ny Commissaire Electorale Atoa Ravalitera. Ankilan’izay dia nambaran’ny filohan’ny fokontany ao Mangarano II P/elle 11/47 Atoa Zoly, fa “niavaka ny fanisana ny mpifidy amin’izao fotoana izao, satria andehanana isan-tokantrano ireo olona ampy taona rehetra”.

Ankoatra izany atao miaraka amin’izao fanisana ny mpifidy vaovao ireo koa ny fanaovana ny fitsarana mitety vohitra ho fanomezana solo na kopia sy kara-panondrom-pirenena; ka efa vita araka ny fanazavan’ny prefektioran’i Toamasina ny boriborintany Morarano, manaraka azy amin’izao ny boriborintany Ankirihiry, Tanambao V, Ambodimanga ary mamanarana azy ny boriborintany Anjoma.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici