- Publicité -
mercredi, septembre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFokontany Tanambao faha-05 Toamasina : Herenina ny lalana  eo amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy

Fokontany Tanambao faha-05 Toamasina : Herenina ny lalana  eo amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy

Natomboka omaly tao Tanambao V, mifanila amin’ny banky BRED sy ny fiangonana Jesosy Mamonjy, ny fanarenan-dalana simba eto Toamasina, raha efa madilana ho vita ny fanarenana ny lalana ao amin’ny Boulevard Joffre. Efa ela ity lalana ity no nampitaraina ireo mpampiasa ny lalana mihazo ny tanan-dehibe eto Toamasina, sy efa maro koa ny fanarenana azy teo aloha fa simba hatrany, ka izy izao amboarina ho mafy amin’ny tara izao. Niatrika ny fanambohana ny fanarenana tao Tanambao V izao ny ben’ny tananan’i Toamasina renivohitra, sy ny Fileovan’i Toamasina, sy ny komity ny fanarenana an’i Toamasina taorian’ny rivodoza, ary ny solombavambahoaka filoha lefitra misahana an’i Toamasina. Nambaran’ny ben’ny tanana nandritra izany fa natao izao fanarenana izao noho ny fahitana fa saika potika avokoa ny lalana fandehanan’ny olona sy be olona mpivezivezy eto Toamasina. Harenina ihany koa ireo lalana hafa hahitana fahasimbana, toy ny ao Ampanalana – Ambohijafy – Ankirihiry – Bazary kely – … ary ny lalana « gare routière – Tanamakoa » mandalo ny Magro sy Ceg Radama Tanamakoa. Mety haharitra ny fanamboarana izany lalana izany, ka tokony haharitra sy hahay hiandry ny vahoaka mba hananana ny soa aorian’izany. Tsy maintsy ampanarahana ny lalana ihany koa ireo farenana mifanila amin’ireo lalana asiam-panarenana ireo, satria maro koa ny fanarenana sy fanamboarana trano tsy manaja lalana, noho ireo tompony tsy maka taratasy fanorenan-trano fa manangana fahatany, hoy ny filoha lefitry ny antenimierampirenena nandritra izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici