- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversFokontany Tanambao I Toamasina : Nidina an-dalam-be nilanja sora-baventy ny mponina

Fokontany Tanambao I Toamasina : Nidina an-dalam-be nilanja sora-baventy ny mponina

Tsy zakan’ny fokonolona intsony ny ataon’ny filoham-pokontany, Atoa Rakotondramanana Nomenjanahary, ao amin’ny Tanambao I P/elle 31/21, ka nidina an-dalam-be izy ireo ary niantso mpanao gazety ny alahady tolakandro teo. Nambaran’ireo fokonolona nilanja sora-beventy fa tsy zakan’izy ireo intsony ny ataon’ny filoham-pokontaniny sy ny fomba fiasany. Voalazan’ireo fokonolona fa hakana vola 25.000 ariary hatramin’ny 30.000 ariary ny vahoaka maka “certificat de residence” amin’ny fokontany, miakatra aza ny tarehimarika raha taratasim-panjakana no liana izy hoy ny fokonolona. Ankoatra izay dia maka vola hafa fa hoe hanamboarana biraom-pokontany izany koa ny tenany, ka vidina “parpaing” sy vidina fasika no alain’ny amin’ny fokonolona amin’izany, nefa 12 taona aty aoriana naka ilay vola tsy hita ihany izany biraom-pokontany vita. Nomarihan’ireto fokonolona hatrany koa fa izy mianakavy ihany no mpitantam-bola, mpitantanana ny rano ao an-tanana, ary manao ny asa sekretera. Nampitaraina ireo tanora ao Tanambao I ihany koa ny tsy famelana hiasa ny andrimasim-pokonolona, nefa efa henjana be ny tsy filaminana an-tanana amin’izao. Efa nahazo fanofanana tamin’ny mpitandro ny filaminana anefa ireo tanora an-tanana amin’ny fitantanana ny andrimasim-pokonolona ity, nefa izao teren’ny filoham-pokontany tsy mahazo miasa izao hiaro ny tananany izao. Izay no mahatonga azy ho raisin’ny fokonolona ho mpiray tsikombakomba amin’ny jiolahy mpamaky trano ao an-toerana, izay tsy vitsy no tratra ankehitriny amin’ny vaky trano. Ankoatra izay dia niezaka nitady ity filoham-pokontany ity ny mpanao gazety mba hakana ny heviny nandritra ny hetsika nataon’ireto fokonolona ireto, saingy tsy hita nanjavonana ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici