- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversFokontany Tanambao Verrerie : Vonona hiatrika ny fiambenana ny tananany ireo fokonolona…

Fokontany Tanambao Verrerie : Vonona hiatrika ny fiambenana ny tananany ireo fokonolona…

Taorian’ilay vono olona nitranga tao Tanambao Verrerie Pelle 21/73 izay nahafaty raim-pianakaviana tokony ho 42 taona teo, izay mbola narahana fangalaram-bola tamin’ireto fianakaviana ireto; dia nanao fivoriam-pokonolona ny alahady tolakandro teo ireo fokontany efatra manodidina, izay natao tao tranom-pokonolona ny fokontany.  

Ny fokontany Pelle 21/71 – Pelle 21/72 – Pelle 21/73 ary Pelle 21/74 ireto nanao fivoriam-pokonolona ireto, ka nampivory tamin’izany ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny EMMO atsinanana notarihan’ny komandin’ny “groupement” atsinanana, ny komandin’ny FIP, ary ny teo anivon’ny tafika. Tapakan’ny fokonolona nanao fihaonam-be ireto fa hanao fiambenana ny tananany izy ireo manomboka izao, mba hiarovana ny vahoaka sy ny fananany ao amin’ny fokontany Tanambao Varrerie. Nisy ny fampianarana natao ireto fokonolona amin’izay fahavononany hanao fiambenana alina izay na ilay atao hoe “auto-défense villageoise”, ka natoro azy ireo fa tsy maintsy misy ny “légitime defense” raha miditra amin’izany ny vahoaka, nefa tsy izay no tanjona fa ny fisamborana ireo olon-dratsy mba hamita ny saziny am-ponja. Manomboka izao izany dia asiana vavahady sy jiro avokoa ireo lalan-kely miditra sy mivoaka ny fokontany, mba hanamora ny fanaraha-maso ireo mpivezivezy amin’ny alina. Ankilan’izay dia anjaran’ny fokonolona isam-pokontany efatra no mandinika ny fomba hitondra ny fiambenana alina, sy ny dina apetraka mikasika izany, mba andraisan’ny rehetra anjara amin’ny fiarovana ny fokontaniny. Isan’izany ny momba ora fikatonan’ireo trano fisotroana eny amin’ny fokontany, sy ny trano filalaovana samy hafa misy, ary ireo olona tsy mandray anjara ao anatin’ilay fiambenana ho atao. 

Ankoatra izany dia misy ireo filoham-pokontany no manahy ny hiverenan’ny valifaty sy ny fifamonoana samy hafa mikasika ity fiambenana alina ity, satria samy mponina ao amin’ny fokontany ihany na ireo jiolahy na ireo mpiambina alina. Ny tena olana koa amin’izao dia ny firongatry ny fifohana rongony eo amin’ny olona ka lasa manatao foana avy eo, hoy ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo-Atsinanana. 

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici