- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversFondation Telma sy Grandir : Nanorina EPP ho an’ny fokontany Ampatana

Fondation Telma sy Grandir : Nanorina EPP ho an’ny fokontany Ampatana

Taoarian’ny nananganana ny EPP Miaramasoandro ny taona lasa dia nahavita EPP iray goavana ho an’ny fokontany Ampatana indray ny “fondation Telma miara-miasa amin’ny fikambanana “Grandir à Antsirabe”. Notokanana ny alatsinainy 17 oktobra teo ity EPP ity, sambany no hisy EPP izany ao amin’ny fokontany Ampantana Antsirabe hatrizay, na dia azo ambara aza fa fokontany isan’ny lehibe eto Antsirabe izy ity, sady ampovoan-tanàna no misy azy. Voalaza fa ankizy manodidina ny 400, manana salan-taona 5 ka hatramin’ny 12 no tsy mandeha an-tsekoly, satria mandany 20 minitra mandeha an-tongotra vao mahita fianarana. Ankaotra izay, ny fahamaroan’ny ankizy amin’ny kilasy iray tsy lazaina intsony. Izany no antony nanosika ny “fondation Telma” hanorina haingana ity fotodrafitrasa ity. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny “fondation Telma” rahateo ny hanangana sekoly miisa 100 eto amin’ny firenena. Raha ny fantatra moa dia efa manodidina ny 20 any ho any no vita manerana ny Nosy amin’izao.

Ahitana efitra telo lehibe ity EPP vao naorina ity, ankoatra ny birao iray sy efitra fitsaboana ary toeram-pidiovana misy rano. Efa nanomboka ny taom-pianarana ny 3 oktobra lasa teo moa ny sekoly.  Mpianatra 409 no beazina ao amin’ity EPP Ampatana ity, ahitana mpampianatra 8 ka ny talen-tsekoly ihany no mpiasam-panjakana fa ny sisa ambiny dia FRAM avokoa. Nampananetena moa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena tonga nitokana ity sekoly ity fa horaisina ho mpiasam-panjakana avy hatrany ireo mpampianatra 7 ambiny. Ankoatra izay, nisy koa ny fizarana “kit scolaire” ho an’ireo mpianatra.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici