Namoaka fampilazana fikarohana ny minisiteran’ny Fitsarana, ahitana ny sarin’ireo teratany Sinoa 11 tafatsoaka tao am-ponja. Mitohy ny fikarohana azy ireo, raha mbola andrasana kosa ny hahafantarana ny antsipirian’ny fivoahan’izy ireo. Kendrena amin’izany ny hanamorana ny famantarana azy ireo sy ny hahafahan’ny manampahefana mahita ny toerana misy azy ireo mba hahafahana misambotra. Tsy mbola nampahafantarina kosa ny momba ireo mpiandry fonja izay tompon’antoka tamin’ny fampitsoahana. Misy loharanom-baovao izay nilaza fa isan’ny karohina koa izy ireo, mpiandry fonja miisa roa. Raha tsiahivina kely, taorian’ny nahafantarana ny raharaha dia nampiatoina tamin’ny asany ny lehiben’ny fonjan’Avaradrano. Fepetra noraisina manoloana ny tranga mampametra-panontaniana momba ny fomba fitantanana sy ny fanaraha-maso ireo olona voafonja. Anisan’ny teboka mila hazavaina ny toe-javatra niseho, ny fomba nanatanterahana ny fivoahana ary ny mety ho andraikitry ny tompon’andraikitra voakasika. Dosie maro no niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ary isan’ny voamarika tao ny momba ireo nanasonia ny famoahana ireo Sinoa tao amin’ny fonjan’Avaradrano ka nafindra eny Antanimora. Tao anatin’izay no nanjavona ny voakasika. Lasa fifandroritana be ankehitriny satria samy manavo-tena ny tompon’andraikitra ambony, indrindra amin’izao ankatoky ny mety ho fanovàna mpikambana sasany ao amin’ny governemanta izao. Ary dia lasa mivoaka ampahibemaso hatramin’ny taratasim-panjakana izay tokony ho tsiambaratelo. Isan’ny fanontaniana mipetraka koa ny amin’ny hoe mbola mety ho eto an-toerana ve ireo kelimaso tafaporitsaka ireo sa kosa efa any amin’ny firenen-kafa? Miendrika kolikoky mivandravandra ity raharaha ity ary manala-baraka ny asam-panjakana raha tsy voafehy haingana.
D.R




