- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFonja nirodana tao Antsohihy : Tafakatra 8 ireo gadra namoy ny ainy

Fonja nirodana tao Antsohihy : Tafakatra 8 ireo gadra namoy ny ainy

Noho ny firodanan’ny rindrin’ny fonjamben’ Antsohihy, ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro, dia tafakatra valo ankehitriny ireo voafonja namoy ny ainy. Raha tsiahivina araka ny vaovao notanterina teto omaly, dia gadra efatra no namoy ny ainy ny sabotsy teo, ary 12 hafa naratra mafy izay tsy maintsy nentina notsaboina teny amin’ny tobim-pahasalamana. Afak’omaly anefa, dia maty ihany koa ny voafonja efatra tamin’ireo naratra mafy notsaboina teny amin’ny hopitaly. Araka ny tati-baovao azo avy any an-toerana, dia vokatry ny dona mafy teo amin’ny lohany noho ny fianjeran’ny rindrin-trano no nahafaty an’ireto gadra mifonja ao Antsohihy ireto. Efa tena antitra ity fonja ity satria tamin’ny taona 1956 no nitsanganany. Mba tsy hiverenan’ny loza toy izao intsony, dia mila fanarenana sy fanamboarana haingana ity fonja ity hisorohana ny mety loza hiseho indray, hoy ny fanazavana azo, araka ny tati-baovao voaray hatrany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici