- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversFonjaben’i Toamasina Ambalatavoahangy : 28 taona voafonja vonjy maika ilay raim-pianakaviana

Fonjaben’i Toamasina Ambalatavoahangy : 28 taona voafonja vonjy maika ilay raim-pianakaviana

Politikam-panjakana amin’ny seham-pitsarana ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, na teo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana na teo anivon’ny fampanoavana ny fitsarana ambaratonga voalohany. Raha ny fantatra dia tsy tokony hiohatra ny telo volana ny raharaha ady tsotra, sy enim-bolana hatramin’ny herintaona kosa ho an’ny ady heloka bevava sy halatromby, raha io politikam-panjakana amin’ny raharaham-pitsarana io.

Mifanohitra amin’ny voalaza anefa ny zava-nisy raha nanao fitsidihana ny fonjaben’i Toamasina Ambalatavoahangy ny minisitry ny fitsarana Atoa Rakotozafy François, sy ireo delegasionina niara-dia taminy isan’izany ny tonia mpampanoana lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, sy tonia ambony ny fampanoavana fitsarana ambony mpisolo toerana. Isany nandray fitenenana nandritra ny kabary nifanaovana ity voanfonja iray  70 taona nilazany ny maharary aminy sy ny alahelony ; « mangataka ny tenako mba hotsaraina amin’izay, mba hamatarako ny sazy mety ho azoko sy efa vitako, satria efa ho 28 taona aho izao mbola tsy notsaraina mihitsy izay tsy mazava amiko ny antony…mifona aminareo mpitondra fanjakana aho raha diso tamin’ny fiaraha-monina, ka aoka mba ho tsaraina amin’izay, fa mijaly ato am-ponja aho miandry ny fitsarana ny heloka nambara fa nataoko », tena nandohalika mihintsy ity rangahy be 70 taona ity taorian’ny lahateniny teo imason’ireo olom-panjakana sy ara-pitsarana nandritra izany.

Samy nandray ny tandrify azy ny rehetra nandritra izany, fa ho an’ny fonjaben’i Toamasina Ambalatavoahangy dia efa tsy mifanaraka amin’ny isan’ny voafonja intsony, ka raha tamin’io 20 mai teo ity nandritra ny fitsidihan’Atoa minisitra ny fitsarana dia miisa 1.250 no isan’ny voafonja, ka miisa 391 tamin’izany mbola tsy voatsara. Fantatra koa,izao fa miisa 71 ireo voafonja efa voatsara mamboly sy miompy amin’ireo tobim-pamokaran’ny fonja, tahaka ny ao Mahavelona Foulpointe – Antanandava – Fanandrana – Maroholatra – ary any amin’ny sekoly ambony fiofanana ho mpandraharahan’ny fonja Antetezambaro.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici