- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversFonjaben’i Toamasina : Gadra telo tafatsoaka, lasa ny basin’ny mpiandry fonja

Fonjaben’i Toamasina : Gadra telo tafatsoaka, lasa ny basin’ny mpiandry fonja

Tranga hafa kely no niseho tao amin’ny fonjaben’i Toamasina ny alarobia antoandro tokony ho tamin’ny mitatao vovonana mahery teo. Gadra telo lahy no tafatsoaka izay mbola nahazo basin’ilay mpiandry fonja, MAS36, teny ambony toerana fiambenany ireo voafonja. Vao tafavoaka ny fefy be misy ny fonja ireto voafonja telo lahy dia nandray ny andraikiny ny fokonolona tao Tanambao I misy ny Cité des Manguiers, ka voasambotra ny iray tsy nitondra ny basy ka efa manatrika ny fakana am-bavany azy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohan’ny polisy ny tenany ny omaly ihany. Ireo nitondra basy kosa afaka nanakanaa mpitondra moto tamin’ny fanambanana azy ka izay no nahafahan’izy ireo nandrositra haingana. Iarahan’ny polisim-pirenena ahitana ny FIP – polisy ny Tanambao II – kaomisarian’i Toamasina I, sy ny mpandraharaha ny fonja, ny fikarohana ireo roa lahy mbola nitsoaka nitondra basy MAS36 ireto. Araka ny fanazavana azo dia nisy mpiandry fonja iray tompon’ilay basy lasan’ireto gadra nitsoaka ireto no naratra mafy teo amin’ny lohany sy ny tarehany noho izy notsatohan’ireto voafonja nitsoaka ny zava-maranitra. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy teo anivon’ny hopitalibe ny tenany, ary tsy misy atahoarana ny aina. Tamin’izao zava-nitranga teo anivon’ny fojaben’i Toamasina dia tonga nijery ny zava-nisy ny governoran’ny faritra Atsinanana sy ny ben’ny tanàna ary ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany niaraka tamin’ny komandin’ny CRGN Toamasina. Nisy ny fihainoan’izy ireo ny tena zava-niseho marina niseho teo anivon’ny fonjaben’i Toamasina tao amin’ny talen’ny fandraharahana ny fonja. Taorian’izay no nijery ilay mpandraharaha ny fonja naratra teny amin’ny hopitalibe izy ireo.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Toe-draharaha mitaky fanadihadina lalina sy marolafy fa misy fanazavana mitsipozipozy ny fandrenesana azy .
    Sao dia ny sambo indray no mandeha an-tanety ???

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici