- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversFonjan’Antsirabe : Nohavaozina sy nitarina ny faritry ny zaza tsy ampy taona

Fonjan’Antsirabe : Nohavaozina sy nitarina ny faritry ny zaza tsy ampy taona

Fiaraha-miasan’ny fandraharahana ny fonja eto Vakinankaratra sy ny “Association petite soeur de l’évangile” izay vatsian’ny Association zazakely Suisse ara-bola no nafahana nanavao sy nanitatra ny toeram-panitsiana ireo zaza tsy ampy taona ao amin’ny fonjaben’Antsirabe. Raha toa ka olona 10 monja no zakan’ny efitrano miisa roa teo aloha dia mahazaka olona maherin’ny 40 izy taorian’ny fanitarana, ankoatra izay ny fanavaozana ny efitrano fianarana sy femetrahana toeram-pidiovana sy fivoahana ao anatiny. Miisa 34 mianadahy ireo ankizy manefa sazy ao amin’ny fonjan’Antsirabe, misitraka zo feno izy ireo ary mianatra toy ny ankizy rehetra.Tanjona amin’itony toeram-panintsiana itony moa ny hamerina ireny voafonja ireny eny amin’ny fiarahamonina indray.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici