- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversFoulpointe : Asan-jiolahy, vazaha iray naratra mafy

Foulpointe : Asan-jiolahy, vazaha iray naratra mafy

Nitrangana fahafihan-jiolahy mitam-piadiana tany Foulpointe ny alin’ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny 9 ora. Teratany frantsay iray no naratra mafy ka tsy maintsy nalefa haingana tamin’ny “ambulance” notsaboina tany amin’ny hôpitalibe Toamasina. Raha araka ny vaovao voaray dia niditra an-keriny tao an-tranon’ ity vazaha ity ireo jiolahy telo nitam-piadiana ary nidaroka avy hatrany. Nandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy nataon’ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Raim-pianakaviana iray mipetraka ao Ankirihiry Toamasina no voasambotry ny zandary avy ao Foulpointe. Io indray no nanonona ny anaran’ny namana roa izay mbola karohina. Nahazo fitsaboana sahaza azy sy tonga ara-potoana teny amin’ny hôpitaly ity vazaha naratra mafy ity, ka tsy misy atahorana intsony ny ainy.

Eric Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici