- Publicité -
vendredi, septembre 25, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFoulpointe : Jiolahy misy "menottes" tafatsoaka

Foulpointe : Jiolahy misy « menottes » tafatsoaka

Mbola tafatsoaka ihany kanefa efa nifatotra rojovy ny tànany. Karohina ankehitriny ny lehilahy antsoina hoe Max izay voarohirohy tamin’ny vaky trano sy fikamban-jiolahy. Tsy voalohany izy no tafaporitsaka toa izao fa efa inefatra. Mahavariana ny maro arak’izany ary malaza rahateo fa mitazona fanafody ratsy. Ny mampanahy ny olona dia ao anatin’ny fotoana izay tena betsaka mpaka sasatra ankehitriny ao Foulpointe kanefa eo indrindra no misy jiolahy rain-dahiny izay mirenireny eo amin’ny manodidina. Etsy ankilan’izay, mila mieritreritra ihany ny tompon’andraikitry ny filaminana raha olona efa mifatotra menottes izany no mbola tafatsoaka ihany. Sao mba nisy tandrevaka teo amin’ny fiambenana na firaisana tsikombakomba? Rehefa misy rahateo ny toa izao dia tsy maintsy misy fanadihadiana anatiny izay misokatra ary voarohirohy ho mpiray tsikombakomba ho azy izay nisahana ny fiambenana mandram-pamaliny valim-panontaniana matotra.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici