- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversFoulpointe- Lozam-pifamoivoizana : Olona 27 naratra, maro no voa mafy

Foulpointe- Lozam-pifamoivoizana : Olona 27 naratra, maro no voa mafy

Mbola isany mahasarika olona ny miala sasatra ao Mahavelona Foulpointe amin’ny fotoan’ny paska. Tsy ireo mpiala sasatra avy eto an-drenivohitra ihany, fa ireo distrika manodidina ihany koa, nisy rahateo ny “festival Somaroho” tany an-toerana, ny faran’ny herinandron’ny paska teo.

Isany tsy nanadino izany ka tonga mba hiatrika ny lanonana tao Mahavelona Foulpointe ireto fianakaviana nahitana olona 27 mianaka niaraka tamin’ny fiara 4×4 feno olona tao aloha sy tao aoriana. Tonga tao Mahavelona Foulpointe tsara ny dia raha nandroso, saingy nony niverina dia tra-doza tao Mahambo ireto fianakaviana ireto tamin’ny fivadian’ny fiara 4×4 nentin’izy ireo tokony tamin’ny 06ora hariva. Noho ny fahamaroan’ny olona tao anatin’ilay fiara, indrindra ny tao aoriana izay nanasarotra ny familiana ny fiara, ny loza anefa tena mafy, satria nivadibadika in-3 ny fiara vao nijanona noho fandehanana mafy, dia saika naratra mafy avokoa izy mianakavy, ka ny fahavakian’ny loha sy ny fahatapatapahan’ny taolana no tena nahavoa azy ireo. Nisy 10 ny zaza tamin’izany izay nanomboka tamin’ny herintaona hatramin’ny 15 taona, fa ity zaza 10 taona no tena voamafy izay miady amin’ny fahafatesana ao amin’ny efitrano famonjenainan’ ny hopitaly be ny alatsinainy alina sy omaly tontolo. Ireo ambiny kosa raha nahazo ny fitsaboana voalohany dia efa misy fivoarany araka ny fanazavan’ny mpitsabo, saingy tsy maintsy handalo fandidiana anio noho ny ratra mafy nahazo azy ireo.

Tamin’ny 09ora alina no tonga voalohany teo anivon’ny sampana vonjy taitra ny hopitaly be ny naratra voalohany, ilay zaza herintaona ary tsy nijanona izay raha tsy tamin’ny 11ora sy 30 alina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici