- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFoulpointe : Trano 112 kila forehitra sy noravana, olona 386 tsy manan-kialofana

Foulpointe : Trano 112 kila forehitra sy noravana, olona 386 tsy manan-kialofana

Nitrangana hain-trano goavana tao Mahavelona Foulpointe, “Parcelle” II, ny alin’ny alahady 11 septambra nifoha ny alatsinainy 12 septambra, tokony tamin’ny 11ora teo. Resaka fitselarana herin’aratra (court-circuit) tao amin’ity tranona fianakaviana mipetraka ao Antananarivo saingy manana mpiambina manokana, no niatombohan’ny afo. Tsy fantatra mazava ny nahatonga ilay fitselarana.

Vokatr’ izany dia trano 112 no may kila tsy nisy noraisina sy tsy maintsy noravana hisorohana ny fiitaran’ny afo tamin’ireo “Parcelle” hafa. Olona 386 no tsy manan-koraisina sy may kila forehitra ny fananany nandritra izany, ka voatery napetraka ao amin’ny ivo-toerana ara-tsosialy sy ara-kolontsaina; ireo tsy maintsy noravana trano kosa dia nangonina eo an-tokontanin’ny hopitaly ny fananan’izy ireo, ka ireo zandary any an-toerana no miambina sy miaro azy. Saika vita amin’ny fitaovana mora mirehitra sy vokatry ny tany ny ankamaroan’ireto trano may sy tsy maintsy noravaina ; nanampy trotraka izany koa ny andro maina sy be rivotra tamin’io alin’ny alahady nifoha alatsinainy io tany Foulpointe. Manana sampana mpamonjy voina ny ao Mahavelona Foulpointe, saingy tsy manana fitaovana hiasana.

11 ireo naratra. Niezaka ny niantso vonjy teo anivon’ny sampana mpamonjy voina sy hain-trano teto Toamasina ny tao Mahavelona Foulpointe, saingy be pitsopitsony sy nampifilafila noho ny fahalaviran’ny toerana ny kaominin’i Toamasina, ka ny ezaky ny mponina sy ny zandary ary ny kaominina tamin’ny alalan’ireo fitaovana teo aminy ihany no nahafaty ny afo tokony tamin’ny 02ora maraina. Nomarihan’ny ben’ny tanana Atoa Andriamaharo Tody John fa tsy nisy izany maty izany teo anivon’ny kaominina tantanany nandritra ny hain-trano, nisy kosa ireo naratra niisa 11, ka zaza ny iray izay voadonan’ny fiara mpamonjy mararin’ny hopitaly ben’i Fenerivo atsinanana avy namita hiraka teto Toamasina. Maizina raha teo ny tanàna noho ny herinaratra notapahan’ny jirama, ny arabe ihany koa feno olona mifamoivoy.

Omaly tolakandro nijery akaiky sy niezaka nanampy ny mponina ara-tsakafo sy ara-mpirakofana ny lehiben’ny faritra atsinanana. Anio kosa raha ny fanazavana azo dia ny iraky ny fitondram-panjakana no hijery ny loza sy hitondra fanampiana ireo tra-boina, izay tena mila fanampiana maro, indrindra ny sakafo, ny fitafiana, ny kojakojan-dakozia, ary fitaovana hanarenany ny tokatranon’izy ireo indray.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici