Tsy misy namantarana azy mihitsy ho olon-tsotra, sivily. Ny antony dia tsy miala amin’ny fanamiana zandary mihitsy i Nantenaina any amin’izay alehany, ary tsy izany ihany aza fa mbola mampiseho ny sariny amin’ny tambajotra sosialy koa miaraka amin’ny fitaovan’ny zandary. Mandalo mivezivezy ao Foulpointe izy ary milaza fa zandary kilasy faharoa (G2C) miasa any Toamasina, nivoaka tamin’ny andiany faha-72. Tsy misalasala mihitsy izy miresaka amin’ny zandary tena izy ary milaza fa mba miala sasatra kely no anton-diany ao Foulpointe. Koa satria mba mifankahafantatra daholo ihany ny ankamaroan’ny zandary, nanomboka niahiahy ny momba azy ny zandary tao an-toerana. « Natao ny fanadihadiana lalina, tsy manana karatra zandary fa « badge » sandoka no teny aminy. Feno sariny manao fanamiana zandary avokoa ny kaonty facebook fampiasany. « Maro ireo olona (olon-tsotra, mpivarotra, tovovavy…) no voafitany fa zandary tokoa izy ary mahavita misalotra fanamiana izy manerana ny tanàna sy tambajotra », raha araka ny fanazavan’ny zandary. Niaiky izy fa nisandoka rehefa nandeha ny fihainoana azy ary notazomina avy hatrany ka hatolotra ny fampanoavana raha vao vita ny fanadihadiana savaranonando. Ny mpiandraikitra fanadihadiana dia nanentana ny olona izay voafitany ny mba hitsangana ho vavolombelona.
D.R




