- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversFrankôfônia : Hampitomboina ireo fisavàna tampokatampoka eny an-dalana

Frankôfônia : Hampitomboina ireo fisavàna tampokatampoka eny an-dalana

Andro vitsivitsy sisa no andrasana dia higadona ilay fivoriana fara-tampon’ireo tany miteny frantsay amin’ny ampahany na manontolo izay ho tanterahana eto amintsika. Eo anatrehan’izay dia nitondra fanampim-panazana mahakasika ireo fepetra rehetra amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fisorohana ny mety ho korontana ny Talen’ny filaminam-bahoaka eo anivon’ny pôlisim-pirenena omaly. Fantatra fa mpitandro filaminana aman’arivony no haparitaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’io fotoana io. Hisy araka izany ny fisavàna tampotampoka eny an-dalana eny, na fiara io na olona, indrindra fa amin’ny alina. Koa manentana ny rehetra araka izany mba tsy hisaraka amin’ny kara-panondrony sy ny taratasin’ny fiara, ho an’ireo mpamily. Etsy an-danin’izay ihany koa, nanamafy ireo tompon’andraikitry ny filaminana, ny mikasika fifamoivoizana eny an-dalana hialàna amin’ny loza tampoka mety hiseho. Fampitandremana izay miantefa amin’ny tsirairay avy. « Inoana mantsy fa ho betsaka ireo « cortege officiel » amin’io fotoana io. Tsy tokony hiampita mihitsy araka izany ny olona raha tsy tapitra hatramin’ny farany iny filaharana iny. Torak’izay ihany koa ny fampitandremana ho an’ireo mpitondra fiara na môtô, izay tsy te hisahirana amin’ny fitohanana ka manaraka avy ato aoriana ireny « cortege » ireny. Mety ho azo sokajiana ho fanembatsembanana ny amin’ny fiarovana ny ain’ilay olona ambony izany, hoy ireo mpitandro filaminana. Azon’izy ireo atao avy hatrany ny maka fepetra mifanandrify amin’izany, ary mety ho tonga hatrany amin’ny fitifirana mihitsy ».

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici