- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversGadra nitsoaka tao Toamasina : Voasambotra tao Analakininina i Raoby Rajaonarison Alphonse

Gadra nitsoaka tao Toamasina : Voasambotra tao Analakininina i Raoby Rajaonarison Alphonse

Raoby, gadra nitsoaka ny fonjaben’i Toamasina, ny 27 novambra lasa teo.

Raha ny 27 novambra 2018 no nitsoaka ny fonjaben’i Toamasina i Raoby Rajaonarison Alphonse, raha sendra nentina nizaha fahasalamana teny  amin’ny hopitaly be noho ny aretina nahazo azy, dia omaly alakamisy antoandro no tratra tao amin’ny fokontany Analakininina ny tenany raha 08 volana nisitrika sy nitsoaka ary tsy niala teto Toamasina. Nampisy resabe ny fitsoahan’ity raim-pianakaviana ity satria resaka ady tany sy fangalarana tanin’olona no tena nahafantarana azy, ary izay indrindra no nahavoafonja azy noho ny fisolokiana nataony mandritra izany resaka olana ara-tany izany. Eo ihany koa ny reharehany, fa manana olona ara-pitsarana sy  filaminana ary  ara-panjakana miaro azy. Raha ny fanazavana azo, dia ny 12 novambra didy raikitra teo anivon’ny fitsarana ambony no mamonja azy roa taona am-ponja eto Toamasina. Tsy nisy 15 andro nifonja izy izao nitsoaka izao, raha nahazo fahazoan-dàlana tamin’ny mpitsabo eo anivon’ny fonja manaraka fitsaboana teo anivon’ny hopitaly be. Na nisy mpandraharahan’ ny fonja niambina aza ny tenany nandritra izany, dia tsy nahasakana azy nitsoaka izany noho  ilay fitsoahana efa voaomana. Tsy namaly ny fisamborana ny mpandraharaha ny fonja azy nandritra izany fahatrarana azy izao, ka ireo sampana hery vonjitaitra eo anivon’ny fandraharaha ny fonja ; izay sampana vao napetraka ny fiandohan’ny taona teo no nanao izany fisamborana izany noho izy voafonja efa nahazo sazy tamin’ny fitsarana nitsoaka. Ny fahazoana vaovao tamina mpandraharahan’ ny fonja no nahasamborana azy izao, ary tsy nampoiziny ny fahitana azy nandritra izany. Heloka hafa indray izay tsy misy ifandraisany amin’ny sazy roa taona azony, izay lasa heloka bevava hafa indray izany no manenjika an’i  Alphonse amin’izao fahatrarana azy izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici