- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversGare Maki Andohatapenaka : Rongony roa baoritra saika halefa any Tsiroanomandidy

Gare Maki Andohatapenaka : Rongony roa baoritra saika halefa any Tsiroanomandidy

Izy roalahy, tra-tehaka niaraka tamin’ny baoritra feno rongony.

Roalahy nampiahiahy no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito, teny amin’ny tobim-piantsonan’ny taxibrousse tetsy Andohatapenaka, ny voalohan’ny volana teo, noho ny resaka trafikan-drongony. Somary tsy nitovy tamin’ny mahazatra indray ny lalan’ireo zava-mahadomelina tamin’ity indray mitoraka ity. Hatramin’izay mantsy dia miainga avy amin’ny faritra ireo zava-mahadomelina ary natao haparitaka eto an-drenivohitra. Tamin’ity tranga ity dia avy eto an-drenivohitra ireto roalahy ireto voasambotra ireto ary saika hitondra izany zava-mahadomelina izany any Tsiroanomandidy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena, dia nikasa ny hiainga teo amin’ny tobim-piantsonan’ny fiara teo Andohatapenaka ireto roalahy ireto, tokony ho tamin’ny dimy ora maraina, ny alatsinainy teo. Hafahafa fihetsika izy roalahy, izay nilonjehitra entana nataon’izy ireo tao anaty baoritra anankiroa. Najananon’ireo mpitandro filaminana avy hatrany izy roalahy ary nosavaina izay entana nentiny. Tamin’izany no hita fa rongony efa vonon-kamidy, nofonosina tao anaty « sachet » niisa 35, izay tombanana ho amam-polony kilao maromaro tany ho any. Nosamborina teo no ho eo avy hatrany izy ireo ary nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria mba hanaovana fanadihadiana. Tamin’izany no nahafantarana fa saika hoentin’izy ireo any Tsiaroanomandidy ireto zava-mahadomelina ireto ary efa misy olona vonon-kandray izany any an-toerana ary raisin’izany olona izany amin’ny vidiny roa alina ariary ny iray « sachet » amin’ireto rongony ireto. Araka izany, tsy mijanona hatreto ny fanadihadiana mahakasika ity trafikan-drongony fa tsy maintsy hitohy. Nanamafy rahateo ny pôlisy fa mbola misy olona hafa karohina fatratra amin’izao amin’ity raharaha ity.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici