
Tonga nitsidika sy nihaona tamin’ny fikambanana GEN Y Vakinankaratra ny GEN Y Madagascar Ofisialy tarihan’ny filohany Atoa Madov sy ny ekipany notron’ireo mpanolotsaina avy amin’ny fiadidina ny repobikan’ny fanavaozana, sy ny GEN Y Atsimondrano. Marihina fa hanao fitetezam-paritra mianatsimo ny fikambanana GEN Y Madagascar ofisialy no izao nandalo teto Antsirabe izao. « Na dia fohy aza ny fotoana nihaonana dia maro no zavatra nifampidinihina sy nifampiresahana indrindra mahakasika ny Fikambanana GEN Y sy ny momba azy ary ny antom-pisiany » hoy Atoa Madov filohan’ny GEN Y Madagascar ofisialy. Nohamafisiny ny fanentanana ny mpikambana amin’ny fananganana tetikasa fa miandry izany ny filohan’ny fanavaozana.
Nandray ny fitarainan’ireo mpikambana ihany koa ny GEN Y Madagascar ofisialy amin’ny fisian’ireo tsindry any amin’ny ministera isan-karazany misy izany, indrindra ny fanapahan-kevitra tokony horaisina manolona ireo forongony mbola mahazo toerana amin’izao fitondrana fanavaozana izao satria mandoto sy manimba ny sarin’ny fitondrana hapetraka izy ireny.
Ho an’ny GEN Y Vakinankaratra manokana, efa nananana tetika ny fikambanana ary efa nalefa tany amin’ny fiadidiana ny fitondrana fanavaozana saingy tsy nisy valiny, na izany aza, miezaka hatrany izahay fikambanana mitondra ny anjara biriky heverina fa hitondra soa ho an’ny tanindrazana hoy filohany Fetra Randriantsalama . Eo am-pamolavolana ny tetikasa « farine » ny fikambanana amin’izao ary hitondra izany eo anivon’ny fitondrana, efa nahazo teny mahafa-po avy amin’ny fitodrana rahateo izahay hoy hatrany ny filoha nanazava.
Nanamafy kosa ny GEN Y Madagascar ofisialy fa hitondra ny hetahetan’ny mpikambana avy aty amin’ny faritra eo anivon’ny fiadidina ny repoblikan’ny fanavaozana.
Andry N.


