- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversGoverniora Atsimo Andrefana : « Milamina ny tany noho ny fisian’ny Dinabe »

Governiora Atsimo Andrefana : « Milamina ny tany noho ny fisian’ny Dinabe »

Noho ny fisian’ny Dinabe miady amin’ny asan-dahalo sy fahalovana rehetra, voasokajy ho faritra fotsy ankehitriny ny faritra Atsimo Andrefana eo amin’ny lafiny fandriam-pahalemana, ka afaka mihary am-pilaminana ny vahoaka. Noho ny fisian’ny tohodrano sy tany midadasika voatondraka maro, toy ny ao Taheza Bezaha (Distrikan’i Betioky Atsimo), Manombo Ranozaza (Toliara II), ary Bas Mangoky (Morombe) izay misy ny « prise hydro-agricole » anisan’ny lehibe indrindra aty Afrika, dia nitombo folo avo heny ny vokatra kabaro tamin’ity taona ity, ka tsy maharaka intsony ireo mpividy. Ho tombontsoan’ireo tantsaha mpamokatra, voatery niantso mpandraharaha vahiny mpanangom-bokatra avy any ivelany ny mpitantana ny faritra, ary miezaka hatrany fa hatao sompitr’i Madagasikara Atsimo Andrefana. « Tsy ny omby ihany na ny velaran-tany midadasika, fa lohalaharana amin’ny fampandrosoana sy fahavitana fotodrafitrasa maro ihany koa Atsimo Andrefana, ka sekolim-panjakana vaovao miisa 117 no naorina. Vita rarivato sy tara avokoa ny ankamaroan’ireo lalan-dratsy teto an-tampon-tanànan’i Toliara, ary  50% amin’ny asa fanamboarana kianja lehibe mahazaka mpijery efatra arivo no efa vita ankehitriny », hoy ny Governioran’ny Faritra, Dr Tovondrainy Ranoelson Edally. Mba hampitomboana hatrany ny velaran-tany azo vokarina tondraka rano sy hahazoan’ny mponina sy biby rano fisotro, hanomboka ny faran’ny taona ity, ary hitohy amin’ny taona ho avy io, ny fanaovana « forages » amin’ny distrika sivy. Noho ny fisian’ireo vokatra maro mitombaka aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana, dia hitarina sy havaozina hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny seranantsambon’i Toliara. Ary ny volana mey ho avy izao kosa no hanomboka ny asa fanamboarana ho tara ny R10 (Andranovory-Ampanihy Andrefana).

Eric Nahoda

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici