- Publicité -
vendredi, septembre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversGovernora Itasy : « Fampandrosoana no tanjona, tsy manam-potoana hanenjehana olona »

Governora Itasy : « Fampandrosoana no tanjona, tsy manam-potoana hanenjehana olona »

Nisy ny iraka ofisialy notanterahan’Atoa Jly Solofonirina Maherizo Andriamanana, Governoran’ny faritra Itasy tany ivelany, « Region Nouvelle Aquitaine – Bordeaux » teo ary nitondràny voan-dalana maromaro, ho amin’ny fampandrosoana ity faritra eo ambany fiadidiany ity. « Marobe ireo zavatra hitanay tany izay azo hampiharina tsara eto amintsika, indrindra mba ho fampiroboroboana ny fampandrosoana eto Itasy ». Araka ny tatitra nataony, izay niantsoany mpanao gazety ny sabotsy lasa teo, dia saika voaresaka tany avokoa ary neken’ireo mpiara-miombon’antoka tany an-toerana ireo tetik’asa rehetra narosony ho an’Itasy. Ao anatin’izany ny resaka fampianarana, fanampiana ireo tantsaha amin’ny fambolena sy fiompiana, ny resaka tontolo iainana, izay hiaraha-mahalala fa hiankinan’ny fampandrosoana ao Itasy ao, ny fahasalamana ary indrindra indrindra ny resaka fizahan-tany. « Toerana telo no ahafantarana an’Itasy, ny « Chute de la Lilly », ny « Geyser » ary  ny « Ilot de la Vierge », ankoatry ny farihy izany mazava ho azy. Izy ireo anefa, raha ho an’ny mpizahan-tany dia vita ao anatin’ny tapak’andro monja ny fitsidihana, izany ho e tsy dia hita faritra loatra ny tombotsoa azon’ireo mponina manodidina. Nisy araka izany ny tetik’asa naroso ary neken’izy ireo, ny hanaovana ho valan-javaboahary ny « alan-dramanavy ». Valan-javaboahary izay marihana fa ireo mponina ao an-toerana sy eny ifotony ihany no hitantana azy, ary higoka tanteraka ny tombotsoa, rehefa tonga ireo mpizahan-tany »

Fa ankoatr’izay dia fotoana iray ihany koa io nitondràn’ity tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny faritra Itasy ity fanamarihana mahakasika ireo resaka mandeha etsy sy eroa. Anisan’izany ny vola voalaza fa lany tamin’ny nanaovana ny lalana Manazary sy Ampahimanga. « Tsy nandany nihoatra ny 30 tapitrisa ariary ny fanamboarana izany ary mbola eo am-panamboarana izy ireo saingy miato kely noho ny orana ». Ankoatr’izay ny resaka fanenjehana mpanao pôlitika izay misy manely. « Jeneraly nasaina manaja ny etika ny deôntôlojia aho, tsy hanam-potoana velively hanenjehana olona. Fampandrosoana an’Itasy no tanjoko, nankinin’ny Filoham-pirenena tamiko, hanantanterahana ireo Velirano nataony ho an’ny vahoaka ary izay ihany no imasoako hatrany hatrany » hoy izy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici