- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversGovernoran’ny Faritra Atsinanana : Omena lanja manokana ny lakandranonin’i Pangalana

Governoran’ny Faritra Atsinanana : Omena lanja manokana ny lakandranonin’i Pangalana

Ny alakamisy teo dia nitsidika ny kaominina Amboditandroroho ny ekipan’ny CRCO Atsinanana, sady nanamafy ny ady atao amin’ny coronavirus, no nijery ihany koa ireo fomba entina mampandroso iny kaominina manamorona ny lakandranon’i Pangalana sy ny lakandrano iny ihany koa. Nisy ny fanaraha-maso ny lakandrano amin’ireo mpampiasa azy izay tokony ho entana ihany no afaka mandeha fa tsy ny olona. Ny governoran’ny faritra Atsinanana Rafidison Richard mihitsy no nitarika ny delegasionina CRCO tamin’izany fitsidihana ny tao Amboditandroroho izao. Nandritra izao fitsidihana izao no nitarainan’ny kaominina Amboditandroroho fa tena sahirana izy ireo ankehitriny, satria ny tamberim-bidy avy amin’Ambatovy tena volabe miditra amin’izy ireo izao efa tsy misy intsony. Ny sisa hany vola miditra ireo ireo tamberim-bidy azo avy amin’ireo vokatra mivoaka ny kaominina sy ireo entana mandalo ao amin’ny kaominina sisa.  Ankoatra izay dia nohamafisin’ny governoran’ny faritra Atsinanana, Rafidison Richard, ihany koa fa hatao toerana hoitsidihan’ireo mpizaha tany ny lakandranon’ny Pangalana. Haren’ny faritra Atsinanana ny lakandrano, harena koa ho an’ireo distrika andalovany rehetra koa, satria lalan-drà mamelona manomboka ao Toamasina I sy Toamasina II, Brickaville, Vatomandry,…hatrany Mahanoro. Hanao ezaka izany ny faritra Atsinanana hahatonga ny lakandranon’i Pangalana ho tena lasa fitsangantsangana ho an’ireo mpizaha tany, satria harena be no hita amin’iny lakandrano iny na ara-tantana izany na ara-kolontsaina na ara-zavakanto, amin’ny alalan’ireo vakodrazana betsimisaraka. Efa manao ezaka amin’izany ny faritra ka raha vao tapitra ny fihibohana dia hiroso avy hatrany ny asa mahakasika izany. Ho an’ireo mpandraharaha ara-pizahantany amin’ny lakandranon’i Pangalana, sy amin’ny ankapobeny, dia efa vanim-potoana maty aloha ity taona 2020 ity. Ny fanampian’ny fanjakana azy ireo no andrasana hanomanana ny taom-pizahan-tany 2021 indray. Ny tena olana ho azy ireo dia ilay taxi-brousse nasionaly sy ny sidina tsy afaka mihetsika mihitsy, nefa ireny no mpitondra ireo mpizaha tany mamonjy ny faritra, ka andrasana ny volana oktobra nolazain’ny filoha fa hoe hamahany ny sehatry ny fizahantany eto amintsika.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici