- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversGrevy eny Ankatso : Raikitra amin’izay ny fisamborana omaly

Grevy eny Ankatso : Raikitra amin’izay ny fisamborana omaly

Nisy toa ny mahazatra ny gidragidra. Saingy ny nahasamihafa kely azy tamin’izay nitranga hatramin’ny alatsinainy dia niditra hatrany anatin’ny fari-piadidian’ny oniversite ny mpitandro filaminan’ny Emmo-Reg. Tokony ho tamin’ny mitataovovonana omaly no nanomboka ny tora-bato sy lacrymogène mahazatra. Samy nisy naratra ny roa tonta satria nisy voa mafy koa teo amin’ny zandary. Lietnà iray no voatora-bato teo amin’ny manodidina ny fihirifany. Ny mpianatra indray dia nisy iray naratra koa saingy tsy fantatra mazava omaly raha tao anatin’ny fihetsiketsehana izy na kosa sendra nandalo fotsiny no voatoraka. Samy nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana avokoa ireo naratra. Nisy olona roa tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana nentin’ny Emmo-Reg tamin’ny fiara tsy mataho-dàlany. Ny iray voalohany dia nandritra ny fifanenjehana tao anaty faritr’Ankatso no voasambotra. Ny faharoa kosa dia nandritra ny fisavàna natao rehefa nilamindamina ny raharaha. Teo dia tovolahy 11 no nosavain’ny mpitandro ny filaminana. Ny iray tamin’ireo no nampiahiahy azy ireo ka notazomina sy nentina teny amin’ny birao etsy Ankadilalana. Tsy ekena ny fanakorontanana sy fanimbàna entan’olona. Tsy maintsy henoina izy ireo mahakasika an’izany ary tokony havotsotra aorian’izay. Omaly ihany koa dia nisy ihany ny fihaonana teo anivon’ny solontenan’ny ministera tompon’andraikitra sy ny mpianatra. Natao teo Tsiadana izany ary nahakasika teboka valo ny nifampiresahana. Isan’izany ny hoe “hapetraka amin’ny fikambananan’ny mpianatra ny fitantanana amin’izay tandrify azy ny amin’ny ‘connexion internet’ mifanaraka amin’ny fandraisana anjara efa naloany, ho an’ny mpianatra tsy ankanavaka (…) ampirisihina ny fanaovana ny ‘contenu pédagogique’ amin’ny intranet (tambajotra anatiny ) (…) mandefa ny vinavinam-pilàny momba ny fanatanjahan-tena ny “établissement” mifanaraka amin’ny fandraisana anjara naloany any amin’ny “Présidence de l’Université d’Antananarivo” (…) momba ny fahasalamana dia ny “visite medical” sy ny “service d’urgence” ary ny fanoroan- kevitra no hataon’ny “service médico-social” (…) voaray ny fangatahana momba ny fanondrotana ny fampitaovana ka alefa hodinihina amin’ny ambaratonga mahefa (…) ny fitakiana rehetra ho fanatsarana ny fampianarana ambony dia atao anatin’ny fanajana ary hajaina ny mpianatra te hianatra ary tsy ekena ny fanimbana ny fananana iombonana (…) atsangana ny komity mpanara-maso ny fanatanterahana haingana araka izay azo atao ny fehinkevitra rehetra (…) ny rehetra voakasika izay manao sonia izao fehin-kevitra izao dia hanaja sy hanatanteraka

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici