Nivadika ho zavatra hafa mihitsy indray ny fitokonan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga omaly. Ireo mpianatra samy mpianatra indray mantsy no nifamono. Vokany maro ireo naratra sy voatery naiditra toeram-pitsaboana. Raha ny fampitam-baovao azo, dia efa nivaky roa ireo mpianatry ny oniversite ireto : ao mantsy ireo mankasitraka ilay fitokonana, ao kosa ireo te hianatra. Efa hatramin’ny afak’omaly hariva izy ireo, raha ny fantatra no efa niampihantsy ady ary dia izao niafara tamin’ny fifamonoana tamin’ny tora-bato omaly maraina izao. Voatery niditra an-tsehatra araka izany ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo/Reg, niezaka nandamina ireto adin’ny samy mpianatra ireto saingy toa tsy nety voafehy izany. Mbola miaina anaty tsy filaminana tanteraka ny rehetra, ka nanapahan’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny oniversite ny hanafoanana ny fampianarana, ao anatin’ny fotoana tsy voafetra. Fa ankoatr’izay, dia miaina anaty tebiteby ihany koa ireo mpianatra mipetraka eny amin’ny trano fonenan’ny mpianatra eny Tsaramandroso. Nisy andian’olona mirongo fiadiana nanafika mantsy izy ireo, omaly hariva ary nandroba ireo entana tamin’izany, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Eto dia tsy fantatra intsony na fanararaotana na misy hifandraisany tamin’ilay sakoroka teo amin’ny samy mpianatra nitranga teny amin’iny oniversite.
Nangonin’i m.L




