Nihamafy ny tolon’ny mpianatra teny Ankatso, omaly. Nahazo vahana rahateo izy ireo rehefa nanampy isa ny mpianatra avy eny Vontovorana. Raikitra ny fampiasan-kery avy amin’ny roa tonta. Andaniny ny mpianatra izay efa niomana tamin’ny vato marobe. Ankilany, ny mpitandro ny filaminan’ny Emmo-Reg izay efa niomana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso. Toa ny mahazatra ihany, rehefa misy grevy ny zava-niseho. Raikitra ny tora-bato tsy an-kijanona ary torak’izany ihany koa ny fampiasana lacrymogène mandra-pihemotr’ireo mpianatra marobe. Fifanjevoana izay naharitra adiny iray tany izany, omaly ary nanomboka tamin’ny 11ora. Teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be no tena mafy ny fifandonana. Mazava ho azy, toa ny mahazatra koa, dia efa niala teny an-toerana ny taxi-be ary nanidy tsena ny mpivarotra. Na izany aza, tao anatin’ny fifandonana dia nisy olon-tsotra sendra nandalo izay tafiditra ampovoany ka sady voatora-bato no sempotry ny entona mandatsa-dranomaso. Tsy nisy ny mpianatra nosamborina omaly, raha araka ny voalazan’ny mpitandro ny filaminana. Raha hiverenana, dia ny fangatahana ny hampisondrotana ho 66.000 ariary ny fampitaovana no tena anton’izao tolona izao. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanomezana maimaim-poana “internet” ho an’ny mpianatra. Hatreto anefa, dia tsy mbola nisy ny fifampiresahana teo amin’ny ministera tompon’andraikitra sy ny mpianatra. Ny korontana no avy hatrany dia raikitra tetsy Ankatso. Notsipihan’ireo mpianatra omaly, fa mbola hihamafy ihany ny hetsika ataon’izy ireo mandra-pisian’ny marimaritra iraisana amin’ny fitakiany.
D.R