- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversGroupement Betsiboka : Nisitraka harendrina sy kilalao ireo zanaka zandary

Groupement Betsiboka : Nisitraka harendrina sy kilalao ireo zanaka zandary

Amin’izao akatokyy ny asaramanitra lehibe, fankalazana fetim-pirenena malagasy izao, dia nahatsiaro ireo zanaka zandary aty Maevatanàna ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena eto Betsiboka mivady. Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny BPR (Brigade police de la Route Maevatanàna) ny fanomezana ireo harendrina sy ny karazan-kilalao natokana ho an’ankizy latsaka ny folo taona, mba hampifalifaliana azy ireo amin’ny maha fetim-pirenena sy ny fetin’ny foloalindahy, indrindra ao anatin’ny iray volan’ny ankizy amin’ity volana jona ity. Ankizy 90 no tonga nisitraka ireo harendrena vita sinoa sy vita malagasy, ary ny kilalao amin’ny karazany maro. Rtoa Nandrianina Andrianantrehina, vadin’ny lietinà-kolonely Dinah, dit Triplette, no nitarika ny fanolorana sy nitondra fanentanana ho an’ireo ankizy sy ny ray aman-drenin’izy ireo, amin’ny tokony tsy hilalaovana  » laser, » fa manimba maso. Haravona tsyomby tratra ny an’ireo ankizy sy ny reny niteraka azy ireo, amin’izao fanomezana harendrina sy kilalao izao fa mahatsiro manana raiamandreny mpiahy, ny lietinà-kolonely Dinah dit Triplette sy Nandrianina Andrianantrehina vadiny, tokoa izy ireo.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici