- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversHain-trano tao Tanambao II : Tsy afaka namonjy ny mpamonjy hain-tranon’ny kaominina fa...

Hain-trano tao Tanambao II : Tsy afaka namonjy ny mpamonjy hain-tranon’ny kaominina fa tsy nisy solika

Efa tena gaboraraka sy tsy azo ianteherana intsony ny kaominin’i Toamasina. Raha mitaraina amin’ny tsy fahazoana ny karamany ny mpiasa, dia ny fiara mpamonjy voina sy hain-trano indray izao no tsy afaka manao ny asany fa tsy misy ny solika ampiasaina aminy. Nandritra ny hain-trano tao Tanambao II ny alakamisy hariva teo, noho firehetana nateraky ny fitselaran’ny herinaratra tao amin’ity tokantrano ity, dia tsy afaka nanao ny asany ireo mpamonjy voina sy hain-tranon’ny kaominina ireo. Soa ihany fa mbola teo ny fiara mpamonjy voina sy hain-tranon’ny seranan-tsambon’i Toamasina afaka namonjy ity tokantrano ity, araka ny fandraisana andraikitry Dr Ndahimananjara Johanita nifampiraharaha tamin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, raha tsy izany tsy hay izay fitaran’ny afo nandritra izany. Nanao ny asany ity fiara mpamonjy voina sy hain-tranon’ny seranan-tsambon’i Toamasina ity, ka teo amin’ny 20min teo dia voafehy ny afo ary tsy nitatra tamin’ny trano hafa ihany koa. Olona 10 no tra-boina noho izany, olona iray kosa no may teo amin’ny tanany noho ny famonjeny ny entana tao an-trano tao anatin’ny firehetana, saingy efa tsy maninona noho ny fitsaboana efa azony. Miantso fanampiana ireto tra-boina ireto izao, satria ireo mpiara-monina aminy ao Tanambao II no manampy azy ireo ankehitriny noho ity fahamaizana ity.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici