Zazalahy kely 9 taona izy io ary efa nentin’izy ireo nandeha nitety vohitra, sanatria toa ireny entana ireny, nitadiavana mpividy. Tonga teny am-pototsofin’ny zandary izany varotr’olona izany ka nandray andraikitra avy hatrany ireto farany. Vokany, voasambotra ireo mpivarotr’olona : havan’ity ankizy ihany ny iray.
Tranga niseho tany amin’iny distrikan’i Vangaindrano iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo dia ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo no nisy nampandre ny zandary tao an-toerana fa misy olona roa mampiahiahy, mivezivezy ao an-tanana ary mitady mpividy zaza. Mailo avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka nametraka paikady rehetra, tamin’ny alalan’ny fametrahana sakana amin’ireo lalana rehetra nivoahana ny faritra. Natao ihany koa ny fisafoana ny teo an-tanana ka tsy niandry ela akory dia fantatra sy hita ny toerana nisy ireo mpivarotr’olona ireto. Soa ihany, mbola tsy nisy sahy « nividy » ilay zazalahy kely teny am-pelatanan’izy ireo, izay mbola notombanan’izy ireo 20 tapitrisa ariary ary efa ho telo andro teo ho eo no nitadiavana izay mpividy izay. Nosamborina avy hatrany ireto farany ary nentina nozahan’ny mpitsabo kosa ilay ankizy. Voalazan’ny vaovao fa avy any amin’ny kaominina Ampasimalemy ity zaza ity no « nangalarin’izy ireo » ary io nentina tao Vangaindrano io. Notanana natao famotorana ao amin’ny tobim-paritry ny zandary any an-toerana avokoa moa izy ireo, mialoha ny hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L