- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHala-jaza tao Manjakandriana : Nitolo-batana ilay mpanampy, voasambotra ireo mpivady mpaka an-keriny

Hala-jaza tao Manjakandriana : Nitolo-batana ilay mpanampy, voasambotra ireo mpivady mpaka an-keriny

Tsy niandry ela tokoa ny valin-kafatra. Ny faran’ny herinandro teo no voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika fahefatra, tetsy Ambatomitokona, ireo mpivady tompon’antoka tamin’ilay resaka fakana an-keriny zaza am-bolana, niseho tao Sambaina Manjakandriana ny herinandro lasa teo. Raha ny vaovao azo dia efa ela noketrehin’izy ireo izany hala-jaza izany. Ny mpanampin’izy mivady, ray aman-drenin’ilay zaza no nataon’izy ireo fitaovana entina hakana ity zaza kely vao 11 volana ity. Ilay mpanampy, izay tsy iza fa sipan’ilay rangahy tompon’ny ketrika maizina. Marihina fa nitolo-tena tany amin’ny zandary tany Carion ity mpanampy vavy ity, andro vitsy taorin’ny tranga. Raha tsiahivina ny zava-nisy: ny alarobia lasa teo, nentin’ny mpanampy an-trano iray nitsoaka ny zanaky ny tompon-trano. Zaza am-bolana notezain’ity tovovavy ity tao an-trano, raha tsy tao an-toerana ireo ray aman-dreniny. Tsy hita tany nanjavonana izy ireo na dia teo aza ny fikarohana sy ny antso avo natao, na tamin’ny haino aman-jery na tamin’ny tambajotra sosialy. Fotoana fohy taorian’izay no nahazo antso ireo ray aman-drenin’ny zaza ny amin’ny tokony handoavan’izy ireo vola 8 tapitrisa ariary ho tambin’ny famotsorana ilay zaza. Raha fahaverezan-jaza no noheverina tany am-boalohany, nivadika fakàna an-keriny sy fitakiam-bola izany. Teo no nanomboka niditra an-tsehatra ireo tompon’andraikitry ny filaminana rehefa nisy ny fitoriana napetraky ireo lasibatra. Telo andro monja taorian’ity tranga ity no izao tra-tehaky ny polisy izao ireo tompon’antoka tamin’izany, izay niaiky tanteraka ny heloka nataon’izy ireo, nandritra ny famotorana azy. Tetsy andanin’izay moa dia fantatra fa avotra soa aman-tsara ary efa tafaverina amin’ny ray sy reniny ilay zaza very.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici