- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHala-jaza teto Toamasina : Zazalahy menavava roa volana tsy hita popoka tao an-tranony

Hala-jaza teto Toamasina : Zazalahy menavava roa volana tsy hita popoka tao an-tranony

Raha avy nanao vakisiny ity zaza roa volana sy ny reniny ny talata 29 desambra teo, dia nifanena tamin’ity ramatoa iray nilaza fa very tsy hitany ny tany misy azy fa avy any Fenerivo atsinanana ny fiaviany. Nalahelo azy izy miaraka ka nitondra azy tany an-tranony mba haka aina, sy afaka hiantso ny olona fipetrahana eto Toamasina haka azy amin’izy ireo. Vao nivoaka kely teny an-tsena anefa ilay ramatoa renin’ilay zaza roa volana sy ny zaza efa efa lehibebe iray, dia nobatainy ilay zaza roa volana ary netiny ilay zaza efa lehibebe. Avy hatrany dia nanaraka ilay ramatoa tompon’ilay zaza roa volana, saingy ilay iray efa lehibebe no najanony tao an-tsena fa ilay roa volana kosa nentiny nanaraka azy ary iny izy no tsy hita. Avy hatrany dia nametraka fitoriana teny amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny polisy misahana ny heloka be vava ny rain’ilay zaza roa volana, ka avy hatrany dia nisy ny fihainona azy nandritra izany. Tamin’izany no nilazany fa izany “Clara” izany no anaran’ity ramatoa mpangala-jaza ity, efa hita koa ny toerana nipetrahany teo aloha saingy efa ela izy no tsy nipetraka tao amin’ilay trano intsony. Manao antso avo vokatra izay ny rain’ilay zaza roa volana ny mba iraisan’ny rehetra hita hanara-maso ny zanany amin’ireo olona manodidina rehetra. Nametraka hafatra ho an’ny vahoaka koa ny polisy mba tsy hatokisana olona be loatra ka hampiditra azy ireny an-trano raha olon-tsy fantatra, fa mazana ny tahaka ireny no tena mampidi-doza ankehitriny, amin’ny resaka hala-jaza izany na halatra entana tsotra. Efa eo am-pelan-tanany polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny polisy misahana ny heloka be vava ny raharaha izao ka ho hita eo ny tohiny.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici