Hita tanteraka tamin’ny horonan-tsary azon’ny “videosurveillance” ny zava-nitranga rehetra. Teo ivelan’ny toeram-pivarotana lehibe iray, teo amin’ny tokotany voambina, no nitranga ny halatra. Napetrak’ireo olon-dratsy miisa telo teo anoloan’ilay fiara hovakiana ny 4X4 miloko fotsy nentiny. Taorian’izay dia novohainy ny varavarana ary izany rehetra izany dia tsy nisy fahavakisan’ny fitaratra na ny kely aza. Heverina araka izany fa manana lakile “passé-partout” izay mahavaha ny fiara ireo telo lahy. Lasa tao anatin’ny fiara ny fitaovana lafovidy izay ilain’ny tompon’ny fiara amin’ny asany. Raha ny fantatra dia efa mandeha ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ankehitriny.
D.R