- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversHalatra anaty fivarotana : Ramatoa mampiresaka, rangahy manararaotra mampiditra am-paosy

Halatra anaty fivarotana : Ramatoa mampiresaka, rangahy manararaotra mampiditra am-paosy

Trano fivarotana iray teny amin’iny faritra Mahamasina iny no lasibatry ny mpangalatra ny sabotsy lasa teo. Lasa tamin’izany ny finday sy vola, izay nipetraka teo ambony latabatra. Tsy lasa lavitra anefa izy ireo dia voasambotra : ilay mpangalatra sy vehivavy iray mpiray tsikombakomba aminy.

« Lehilahy iray 24 taona sy vehivavy 20 taona no nosamborin’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahadimy Mahamasina ny faha-07 janoary 2023 tokony ho tamin’ny 01ora antoandro noho ny resaka halatra. Tao amin’ny trano fivarotana iray no nidiran’izy roa ireto », hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy. Tsotra dia tsotra ny fomba fiadin’izy ireo.  « Mody mividy zavatra ilay vehivavy ary manararaotra ilay lehilahy maka izay zavatra mipetraka eo amin’ny latabatra fivarotana rehefa variana ny mpivarotra. Nisy nahatsikaritra anefa izany ka nampahafantatra ny polisy miasa tsy lavitra an’io toeram-pivarotana io. Tsy niandry ela ny mpitandro ny filaminana fa avy hatrany dia nisambotra ireto farany, ary rehefa nosavaina dia tratra tao am-paosin’ilay lehilahy ny finday sy ny vola nangalariny », hoy hatrany ny vaovao. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria moa ireto olona roa, ary notanana natao andrimaso, miandry ny fanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.

Ankoatra ireo olona eny an-dalambe, dia anisan’ny ataon’ny mpangalatra mitondra faisana ihany koa amin’izao ireo toeram-pivarotana sasantsany, toy ireo zavatra lafo vidy. Vao tsy ela ihany koa mantsy izay no nisy tranga toy izany nahazo fivarotana solosaina iray. Mody mampiresaka ny mpivarotra ny namany ary rehefa variana ity farany, dia nobatain’izy ireo ankitsirano ny iray tamin’ireo solosaina namidy. Niala moramora toy ireny mpividy tsy tapa-kevitra ireny izy ireo  nony avy eo …

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici