Ny alakamisy lasa teo, lehilahy iray, 25 taona mipetraka ao Ambohijafy Fenoarivo, mpamily Bajaj tany Analavory no voasambotry ny zandary teny Ambohidratrimo noho ny halatra Bajaj. Araka ny fantatra dia nalainy avy any Analavory ity fitaovana ity ary teny amin’ny tetezan’Ampangabe, distrikan’Ambohidratrimo vao tratra. Mpamily mpisolo toerana ingahy ary naka an’ilay fitaoavana toy ny mahazatra izy isa-maraina tao amin’ny tompon’ilay bajaj ny alakamisy teo, handeha hiasàna. Ny loza anefa dia tsy nentiny niasa ilay fitaovam-pitaterana fa avy hatrany dia nentiny nandositra niakatra aty an-drenivohitra, niaraka tamin’ny taratasy rehetra. Rehefa nisy nampandre ny tompon’ilay fitaovana dia nametraka fitarainana avy hatrany tao amin’ny zandary. Raikitra ny fanaharahan-dia. Tokony ho tamin’ny dimy maraina tany ho any no nandalo teo Alakamisy Fenoarivo ilay fitaovana, saingy noho ny taratasy rehetra ara-dalana tany aminy dia nizotra soamantsara ingahy. Fantatra teo fa nandray lalana fiviliana ho any Soalandy, Ankadivory, kaominina Alakamisy izy. Napetraka hatrany ny sakana ary nisy ny fanenjehana azy tamin’ny moto. Nisy nahita ho nandray mpandeha teo indray izy ary nizotra nihazo an’Ampangabe, distrikan’Ambohidratrimo. Ny hariva tokony ho tamin’ny telo ora folakandro tany ho any no tra-tehaka teo amin’ny tetezan’Ampangabe ingahy sy ny bajaj nangalariny. Mazava ho azy fa tsy afa-nanda intsont ingahy satria niaraka tamin’ny tompon’ilay fitaovana ny zandary. Nosmborina avy hatrany teo no eo ity mpamily mpangalatra ity ary nentina nihazo ny biraon’ny zandary sy notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana. Ilay fitaovana kosa efa naverina talin’ny tompony, araka ny fantatra hatrany.
m.L





