- Publicité -
mercredi, septembre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHalatra fingotra tamin’ireo « kianja manaram-penitra » : Nadoboka am-ponja ilay injeniera...

Halatra fingotra tamin’ireo « kianja manaram-penitra » : Nadoboka am-ponja ilay injeniera sy « chef de chantier », fanaraha-maso ny an’ilay mpividy halatra

Ny alakamisy teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireo olona folo, voarohirohy sy voasambotra noho ny resaka famoahana antsokosoko sy fividianana halatra, an’ireo fingotra (granulés de caoutchouc), izay natokana hanamboarana ny kianja manaram-penitra tao Ambatondrazaka sy Moramanga. Nisy anefa ny fampiakarana ny raharaha, ho any amin’ny fanadihadiana lalina ka tsy vita tamin’io andro io izany. Nitohy hatramin’ny omaly, ka ny hariva teo no fantatra ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana.

Raha ny fampitam-baovao azo dia ny telo tamin’izy  folo ireto ihany no nadoboka am-ponja vonjimaika tetsy Antanimora. Ilay « chef de chantier », « ingénieur de chantier », izay samy mpiasa tao amin’ilay orinasa nahazo ny tolotr’asa nanamboatra ireo kianja manaram-penitra, ary ilay mpanera sy mpitatitra ireo entana halatra tafavoaka. Fanaraha-maso ara-pitsaràna kosa no azon’ireo ambiny, ireo olona fito voarohirohy tamin’izany. Ao anatin’izay ilay mpanao baolina teo aloha, mpampaniraka sy mpividy halatra ary mbola nahatratrarana ny ampahany tamin’ireo entana halatra tao an-tranony tamin’ny fotoana nisamboran’ny zandary azy. Fanaraha-maso ara-pitsaràna izay midika fa malalaka amin’ny fivezivezena izy ireo saingy kosa tsy maintsy miseho eo imason’ireo mpitsara nanao ny famotorana azy, isaky ny andro voatondro amin’izany, mpandrapaha-tonga ny fotoan-pitsaràna. Toe-javatra anisan’ny mahagaga sy nampametram-panontaniana ny maro ihany, satria raha ny voalazan’ny fehezan-dalàna famaizana eto amintsika dia mitovy amin’ny mpangalatra ihany ny mpividy halatra. Saingy, araka ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny filaminana iray, izay tsy kivy amin’ny fanantanterahana ny asany dia ny hoe « anjaran’ny mpitandro filaminana ny mikaroka ny fandikan-dalàna misy sy misambotra izay olona voarohirohy amin’izany saingy an’ny Fitsaràna ny ambiny ».

Raha tsiahivina kely tokoa ny zava-nisy mantsy, ny talata lasa teo dia saron’ny zandary ny fisiana halatra fitaovana natokana hanamboarana ireo kianja manaram-penitra tao Ambatondrazaka sy Moramanga. Fingotra na « granulés de caoutchouc » aman-taoniny (6,450t) no fantatra fa navoakan’ireo mpangalatra tamin’izany, izay voalaza fa efa misy mpandray aty an-drenivohitra. Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faharoa sy teny Anosibe ny ampahany tamin’izany, tao an-tranon’ilay voalaza fa mpandray azy kosa ny hafa. Olona folo no voarohirohy tamin’io raharaha ary ireo efa nandraisan’ny mpitsara mpanao famotorana fanahapahan-kevitra ireo avokoa. Hatreto moa dia mbola tsy fantatra ny fotoam-pitsaràna izany. Nogiazana kosa tetsy an-danin’izay ireo entana halatra sarona.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici