Raha omaly no voatonona fa hanolorana ireo olona folo voarohirohy tamin’ny fangalarana « goudron » aman-taonina (10.600kg), teny anivon’ny Fampanoavana dia nihemotra ho amin’ny anio indray izany, raha ny fampitam-baovao azo. Nisy mantsy ireo tranga vaovao, voaray teo am-pelatanan’ireo mpanao fanadihadiana, ireo zandary avy eo anivon’ny Vondron-tobim-paritra Imerina Central, dia ny firotsahan’ny Fanjakana malagasy ho anisan’ireo mpitory. Marihana mantsy fa tetikasan’ny Filoham-pirenena ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44, kanefa dia izao misy manodinkodina izao ireo akora entina hanamboarana izany. Tetsy andanin’izay, nametraka ny fitoriany ihany koa ireo orinasa sinoa anankiroa nampiandraiketina ny fanamboarana izany lalam-pirenena mihazo an’Alaotra izany. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa efa imbetsaka izy ireo no lasibatry ny halatra fitaovana sy akora fanamboaran-dalana tahak’izao. Ny sasany tamin’ireto olona voasambotra ireto ihany koa dia efa tsy zoviana amin’ireto tomponandraikitra intsony noho izy ireo voarohirohy hatrany tamin’ny halatra tao amin’ireo orinasa ireo.
Efa trafika goavana mihitsy ity ravan’ny zandary ity, satria dia efa samy « société » lehibe avokoa no ao ambadika. Misy ireo andian’olona izay asaina mangalatra ireo «goudron » ireo, any an-toerana ary taterina sy atoby ao amin’ny trano fitoeran’entana iray ao Moramanga. Ireto farany indray avy eo no mitady olona afaka hividy izany entana izany, ka tamin’ity indray mitoraka ity dia orinasa iray mpanamboatra lalana any amin’iny lalam-pirenana faha-34 no nandray izany. Ity mpanamboatra lalana ity rahateo manofa fiarabe ao amin’ilay orinasa voalohany ary heverina fa mahafantatra tsara ny fiavin’ireto entana ireto. Taratasy hosoka amin’ny alalan’ilay « société » voalohany araka izany no nentina nitondra ireo « goudron » teny amin’ny lalam-pirenena, izay misy kopaka hisasahana amin’ny iray tamin’ireo mpitantana. Saingy sendra ny harato tsara hidy ireto farany ka tsy afa-niala tamin’ireo zandary mpanao fisavàna amin’ny lalam-pirenena teny Carion. Niantomboka tamin’izay rahateo moa ny fanadihadiana rehetra nahafahana nandrava tanteraka izany tambajotra izany. Ankoatr’ireo mpiasa madinika, mpitatitra, mpiambina entana sy mpanera halatra moa dia anisan’ny voapaingotra tamin’izao raharaha izao ny tompon’ilay orinasa mpanao lalana nividy ireo « goudron » halatra, ny iray tamin’ireo mpitantana ilay orinasa voalaza ao anatin’ilay taratasy hosoka, ary teknisianina maromaro amin’ny fanamboaran-dalana, ary ireo olona mpamerin-keloka.
m.L