Tratran’ny FIP ambodiomby teo am-pitarihana moto avy nangalariny tsy nety velona ka voatery natosika ity tovolahy iray teo akaikin’ny lapan’ny tanàna, raha manao fiambenana izay mety niseho nandritra ny famoahan’ny CENI Toamasina ny voka-pifidianana vonjimaika amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolontsaina. Tsy nanam-po na inona na inona ity tovolahy ity, saingy ny fihetsiny somary mahana teo am-pandalovana ny polisy manao ny asany no nanaitra azy ireo ka natao ny fisavana, ka vaky am-batolampy teo ny nafenina. Raha natao ny fanadihadiana dia teny akaikin’ny fiangonana Notre Dame de Lourde no nangalarany ity moto ity, raha variana nividy kojakojam-piarakodia tamin’ny mpivarotra iray ny tompony. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa efa nisaodisaody teo amin’ny lapan’ny tanana ity mpangalatra moto ity nandritra izany, saingy tsy nahita hirika mihitsy tamin’ireo moton’ireo mpiatrika ny voka-pifidianana noho ireo mpitandro ny filaminana maro be nanodidina ny lapan’ny tanana. Hany heriny nisintaka teo ary tsy lavitra teo no nahita moto hafa nangalarina ny tenany. Ireny moto jog RS ireny ity nangalariny, satria izay indray izao ny moto mora amidy sy tian’ny olona eto Toamasina noho endriny sy ny tanjany nefa kelikely ny vatany.
Malala Didier