- Publicité -
AccueilFaits-DiversHalatra môtô tao Anjoma Toamasina: Ny sakaizany ihany no niray tsikombakomba tamin’ireo...

Halatra môtô tao Anjoma Toamasina: Ny sakaizany ihany no niray tsikombakomba tamin’ireo mpangalatra

Morongatra ankehitriny ny halatra môtô eto Toamasina araka ny fitoriana sy ny fitarainana voarain’ny mpitandro ny filaminana. Ireo môtô antsoina hoe “scooter” no tena lasibatra amin’izany, saingy ity niseho tao Anjoma Toamasina ny alin’ny 22 jolay nifoha ny 23 jolay ity no hafa kely, satria ny sakaizany ihany no niray tsikombakomba tamin’ireo mpangalatra noho ny iray tamin’izy ireo mbola sakaizan’ity tovovavy. Ny alin’io 22 jolay io dia niaraka ity tovolahy ity sy ity sakaizany ity namonjy lanonana tao Manangareza, tokony tamin’ny 10ora noho ny hamamoana teo amin’ilay tovolahy dia nody izy ireo. Teo am-pidirana ny lalam-pasika mihazo ny tranon’ilay tovolahy dia nosakanan’ireo andiana tovolahy 2 izy ireo, noho ny hamamoany dia tsy afaka nanohitra ny tenany izay mbola niharan’ny daroka ihany koa. Nitory ny nanjo azy teny amin’ny borigadin’ny zandary ity tovolahy ity ny 23 jolay ka nanomboka teo ny fanadiadiana rehetra mikasika ny raharaha. Noho ny fiaraha-miasan’ny zandary tamin’ireo mpanome ny vaovao azy araka ny fanazavan’ny komandan’ny kaompanian’ny zandary Toamasina, Chef d’éscadron Randrimanantena Léon, dia teo am-pamarotana ilay môtô 1,72 tapitrisa ariary taman’olona no tratra ambodiomby ireto mpangalatra, teo vao vaky ny nafeina rehetra fa hay sakaizan’ilay tovovavy koa ity nangalatra môtô ny sakaizany hafa ity. Niakatra fitsarana omaly ny raharaha ka miandry fitsarana am-ponja izy telo mianadahy voasambotra nandritra ny raharaha halatra môtô tratra ambodiomby ity…

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici