- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra moto : Very teny Talatamaty, tratra teny 67 Ha

Halatra moto : Very teny Talatamaty, tratra teny 67 Ha

Ny roa mpangalatra sy mpanosika. Ny fahatelo kosa « mécanicien » izay manaborodana ao anatin’ny fotoana fohy izay azo. Samy manana ny anjara asany izy telo lahy izay ao anatin’ity tambajotra mpangalatra kodiaran-droa ity. « Naharay fitarainana ny polisy avy ao amin’ny komisaria 67Ha mikasika ny fahaverezana Moto Boxer 150cc miloko manga ny zoma hifoha sabotsy teo tao an-tranon’olona teny Imerinafovoany Talatamaty. Nandray ny andraikiny avy hatrany ka nanao ny fikarohana. Nisy rahateo ny angom-baovao voaray izay nanamora ny fikarohana. Tratra ireo jiolahy teny Ankasina akaikin’ny Madinox niaraka tamin’ilay moto izay vao avy nangalariny sy ireo fitaovana fampiasan’izy ireo rehefa manao izany asa ratsy izany » raha araka ny fanazavan’ny polisy. Ny marainan’ny sabotsy, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany no nahita ny roalahy izay nanosika moto ny polisy. Sady nampiahiahy izany ka rehefa nosavaina dia sady tsy nisy taratasy no tsy nazava ny fanazavàna. Nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisaria etsy 67ha ary nanokafana fanadihadiana. Nibaboka ireo fa moto halatra ilay natosika. Mbola nanoro ny misy ilay « mécanicien » izay mpiray tendro koa izy roalahy. Voasambotra io ary nidoboka am-ponja izy telo lahy vokasik’ity raharaha ity rehefa natolotra ny fampanoavana. Miverina mirongatra indray ankehitriny ny halatra kodiaran-droa. Saika isan’andro no misy olona mitaraina rehefa very moto. Efa mailo ihany ny olona fa ny tsikaritra dia tena haingana koa ireo jiolahy rehefa mandroba izany. Mbola vitsy rahateo ny mampiasa hidina moto maneno sy ny GPS eto amintsika hany ka manamora ny asan’ireo olon-dratsy izany. Vetivety dia miparitaka ny moto noho ny firoboroboan’ny mpividy piesy etsy sy eroa. Izany rehetra izany no anisan’ny lasa mampisesy ny halatra kodiaran-droa eto an-drenivohitra.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici