vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra sy fampiasàna hosoka : Karohin’ny pôlisy ny « chef d’agence »...

Halatra sy fampiasàna hosoka : Karohin’ny pôlisy ny « chef d’agence » sy ny « caissière »na banky madinika iray

Randriamanana Serge Aimé, 40 taona, lehiben’ny ratsamangaikan’ny banky mpampindram-bola madinika iray, ao Toamasina sy Randrianomenjanahary Natacha, 36 taona, tompon’andraikitry ny fitoeram-bola ao amin’io banky io no namoahan’ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarin’ny boriborintany voalohany ao Toamasina, taratasy fampikarohana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia  voarohirohy tamin’ny resaka halatra, fivadiham-pitokisana ary fampiasàna hosoka tao amin’io orinasa io izy ireo. Marihana, hoy hatrany ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena fa hotanana ho tsiambarelo avokoa ny mahakasika izay olona afaka manome vaovao azy ireo, hahafahana misambotra azy. Tsiahivina kosa fa tanana ho mpiray tsikombakomba ary hiafara hatramin’ny fanenjehana amin’ny lalàna kosa ireo minia manafina ireto olona ireo na manamora ny fitsoahany.

Amin’izao dia marobe tokoa ny olona no mitodika amin’ireny orinasa mpampindram-bola madinika ireny. Ary rehefa mihabetsaka ny mpanjifa, dia mihabetsaka ihany koa ny vola mihodina ampiasain’ireo orinasa. Angamba antony iray, mandrisika ireo mpiasa ao amin’izy ireo hanana teti-dratsy, hanodinkodina ireo volabe kirakirainy isan’andro. Tsy vao izao tokoa mantsy no nahenoana mpiasa amin’ny banky madinika voarohirohy tamin’ny resaka halatra sy fampiasàna hosoka ity fa efa nisy tranga maromaro ihany izay. Efa nisy tamin’izy ireo no mbola manefa ny saziny ary misy kosa ireo mbola karohina sy tsy mety hita hatramin’izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici