- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversHalatra tany eny Ambohidratrimo : Mpiasam-panjakana mpanao hosoka nosamborina

Halatra tany eny Ambohidratrimo : Mpiasam-panjakana mpanao hosoka nosamborina

Omaly ny olona folo no natolotry ny zandary avy etsy amin’ny borigady Betongolo ny fampanoavana. Hosoka amin’ny fivarotana tany ary fisolokiana no anton’ny fitoriana azy ireo. Teny Ambohidratrimo no nisy ny tany izay namidy avy amin’izany fanao ratsy izany. Tao anatin’ny olona folo dia nisy ny mpiasam-panjakana voarohirohy ho nanao hosoka, ny mpanera, ny mpanao sonia sandoka ary koa ny mpanao karapanondro sy taratasim-panjakana sandoka. Efa tafakatra hatrany amin’ny 160 tapitrisa ariary ny vola azon’ireo tao anatin’ny raharaha. Miasa anaty tambajotra tanteraka ireo olona raha araka ny fanazavan’ny mpitory. Vitan’ireo hatramin’ny taratasy manamarina ny fahafatesan’ny tompon’ny tany, ny karapanondro sandoka, ny sonia mahakasika ny taratasy fananan-tany ary izay rehetra ilaina mba hahafahana mivarotra ny tany. Hatramin’ny hariva dia mbola nitohy ny fakàna am-bavany nataon’ny mpitsara mpanao famotorana. Tsy moramora tokoa ny raharaha satria sady misy mpiasam-panjakana no misy mpangalatra sonian’ny sampandraharam-panjakana. Tany izay mirefy roa hekitara no noketrehan’ilay tambajotra. Nanomboka hitan’ny tena tompon’ny tany ny zava-nitranga satria efa nivezivezy nijery izany ny mpividy. Nivoaka tamin’izay teo rehefa nifampiresaka ny roa tonta ny fisian’ny mpisandoka eo anelanelan’izy ireo. Olona mbola velona aina soa aman-tsara ny tompon’ny tany nefa dia nahavitan’ireo olona taratasy manamarina ny fahafatesany, ary koa ny taratasy fandovàna. Isan’ny olana lehibe sedrain’ny olom-pirenena ankehitriny ary manerana ny nosy mihitsy ny fisian’ny halatra tany. Betsaka ny mpisoloky izay nanan-karem-be noho izany asaratsy izany, ary matetika aza izy ireo dia lasa tsimatimanota. Ny antony dia satria misy tambajotra izay efa mpiaro azy fotsiny eo anivon’ny fitsaràna. Isan’izany ilay iray izay efa an-jatony ny mpitory azy ary namoahana taratasy famonjàna sy taratasy fikarohana. Kanefa dia mbola miriaria toy ny olon-drehetra any izy hatramin’izao. Ny volan’olona tsy voaverina ary ny tany tsy azo. Mila ovaina ary hamafisina ny heloka mifandraika amin’ny halatra tany izay isan’ny mameno ny raharahan’ady ao amin’ny fitsaràna ankehitriny. Araka ny vaovao farany dia olona efatra no naiditra am-ponja mikasika ity raharaha Ambohidratrimo ity.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici