Ny volana jona teo no nahatsikaritra ny mpiandraikitra ny fitehirizana sy fivarotana fanafody eo anivon’ny hopitaly be Fenerivo Atsinanana fa nisy fahabangana maro ny fanafody tao amin’izy ireo, nefa ny trano tsy vaky tamin’io fotoana io. Manodidina ny 12 tapitrisa ariary ny sandan’ilay fanafody, ary fanafody tena miasa sy ilain’ny marary avokoa no very tamin’izany. Ny mpiambina avy hatrany no voarohirohy tamin’izany ka vao tratra izy dia niteny ny marina ary nilaza fa mpivarotra fanafody iray ao Soanierana Ivongo no hamarotany ireo fanafody nangalariny. Nidinan’ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana ilay mpivarotra fanafody, araka ny fitorian’ny hopitaly be ao Fenerivo Atsinanana, nyfaran’ny volana jona teo, ka tratra ambodiomby tao an-tranony ny fanafody maro be nangalarina tao amin’ity hopitaly ity. Naharitra ihany ny fanadihadiana ny raharaha nandritra izao halatra fanafody taoamin’ny hopitaly be tao Fenerivo Atsinanana izao, ka izao vao niakatra fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga volaohany any an-toerana ny raharaha, ka izao nandraisan’izy ireo didy savaranonando miandry fonja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Fenerivo Atsinanana ilay mpiambina sy ilay mpividy halatra.
Malala Didier