Orinasan’ny teratany karàna iray antsoina hoe Stim.Co, ao Ampasimazava, boriborintany Anjoma, orinasa mpisahana vy – fanaka avo lenta isan-karazany – fahitalavitra izy ity. Andian-jiolahy manodidina ny 18 taona hatramin’ny 54 taona no tonga nanafika ity tranombarotra ity. Monina ao Androranga – Ambalambe – Tanambao Verrerie – ary Ambalakisoa avokoa ireto andian-jiolahy.
Niaraha-nahalala fa telo no maty voatifitry ny FIP, olona fito azo sambom-belona, ary efa mandalo fakana am-bavany eo anivon’ny polisy misahana izany. Raha ny fanazavana azo tamin’ny komandan’ny FIP Toamasina, Rafaliaro Jules, dia efa herinandro no nanarahana ireto andian-jiolahy ireto, satria tao anatin’ny herintaona dia efa fanindroany nisy namaky ny orinasa ary very nandritra izany ny « coffre fort ». Tsy fantatra ny sandan’ny vola tao anatiny tamin’izay, fa vola be. Nisy ny firaisana tsikombakomba tamin’ny mpiasa mpiambina ny orinasa, ka nanao fanamiana sivily ireo polisin’ny FIP nanao fanaraha-maso nandritra ny herinandro. Telo avy hatrany ny maty voatifitra nandritra ny fidiran’ny polisin’ny FIP, ka isan’izany i Talata Jean, 54 taona, avy ao Tanambao Verrerie – i Monja Kamisao 43 taona avy ao Ambalambe – ary i Masiaka Maurice na i Mika 30 taona avy ao Tanambao Verrerie. Efa nalain’ny fianakaviany avokoa izy telo lahy maty ireo ny sabotsy teo.
Ankilan’izany dia tranga nahagaga no tazana teny ifotony nandritra ny zava-nitranga, satria nahatazana mpitandro ny filaminana hafa amin’ny moto nijorojoro tsy lavitra ny faritra nitrangan’ny famakiana ity magazay ity. Raha ny niheverana azy ireo dia niandry ny fivoahan’ireo andian-jiolahy ireto fa saika hanao « escorte ». Amin’ny 7 ora hariva, mbola ora ahafahana mitondra entana, ka amin’izay dia toy ireny mpivarotra hody ireo kalesa roa nentin’ireto andian-jiolahy saika nitondra ireo entana halatra.
Ankoatra izany amin’ity herinandro ity dia hiakatra fampanoavana ny fitsarana ireto andian-jiolahy voasambotra. Tokony hamafisina ihany koa ny fanaraha-maso ireo fatim-by misy mividy ao Ambalambe, fa lasa fampiriman’ny olona zavatra halatra ity fokontany ity.
Malala Didier