- Publicité SW45 -
lundi, mai 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHalatra  taolam-paty : 300 isa hita tany Brickaville, mpibizina iray tratra tany Ankazobe

Halatra  taolam-paty : 300 isa hita tany Brickaville, mpibizina iray tratra tany Ankazobe

Gony roa lehibe izay nahitàna taolan-dava miisa teo amin’ny 300 isa teo no hitan’ireo fokonolona teo amoron-dranon’i Rianila, Brickaville, ny talata lasa teo. Mpibizina taolam-paty iray kosa no tratra, iray andro talohan’izay tany Ankazobe.

Mbola fanontaniana goavana tsy mety misy mahavaly tokoa raha ity resaka taolam-paty ity hatramin’izay. Atao inona ary iza no tena mandray azy ? Mazàna tokoa dia saika taolam-balo miparitaka eny ho eny no hany sisa hita na ireo olona aty amin’ny zana-tohatra ambany no voasambotra. Toy ity tany Ankazobe ity, ny voalohan’ny herinandro lasa teo. Rehefa nisy mantsy ny angom-baovao azo teo anivon’ny zandary mahakasika ny fisiana olona voalaza fa mivarotra taolam-paty dia nanao ny fanadihadiana rehetra ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Tratra tao Ambohimiadana, kaominina Kiangara tokoa ny lehilahy iray niaraka tamin’ny taolam-paty milanja eo amin’ny 90 kilao teo ho eo tao anaty gony. Saika taolan-dava avokoa moa izy ireo, toy izay efa tratra hatamin’izay. Mbola nisy namany tafatsoaka tamin’io fotoana io ary efa an-dalam-panaovana hazalambo sy fikarohana azy ireo ny tompon’andraikitra amin’izany.

Fa teny amoron’ny reniranon’i Rianila, tandrifin’ny fokontany Morafeno, Brickaville kosa, dia hatairana tsy misy toa izany ny an’ireo mponina raha nahità gony lehibe miisa roa, ny talata. Rehefa notomorina akaiky dia hita fa taolana maromaro no tao anatiny. Nantsoina avy hatrany moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary rehefa natao ny fizahana dia fantatra fa tena taolam-balon’olona avokoa izy ireo. Taolan-dava izay nahatratra tany amin’ny 300 isa tany ho any. Tsy fantatra hatreto hoe avy aiza ireto gony ireto na an’iza ? Heverina fa varotra tsy raikitra an’olon-dratsy tany ho any izy ireo angamba. Efa mandeha amin’ny fikarohana izay mety ho nahavanon-doza tompon’ireto « entana » ireto moa ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Etsy andanin’izay, mazava ho azy fa tsy fantatra rahateo ihany koa na fasana taiza avy no nangalàn’ireo tsy mataho-tody izany taolam-balo izany. Nambaran’ny vaovao mantsy fa tsy nisy trangana fasana vaky tamin’iny faritra iny, nandritra izay fotoana izay. Efa natolotra ny tompon’andraikitra amin’izany moa ireo taolam-balo ireto ary tsy maintsy handraisana fepetra ny handevenana azy amin’ny toerana iray, toa ireo taolam-balon’olona rehefa hita hatramin’izay.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici