
Nentina nitety tanàna ireo mpangalatra taolam-paty. Na izany aza nafenina ny tarehiny. Napetraka tao anaty gony miisa 20 ireo taolana marobe ary sarona nandritra ny hetsika nataon’ny polisy tao Andilamena nandritry ny fanadihadiana miafina izay nataon’izy ireo. Tombanana ho razana 411 any no nangalàna ireo taolam-paty marobe, raha araka ny manam-pahaizana nijery ifotony. Fasana samihafa no mety ho novakiana ka nangalarana ireo. Tezitra ny olona satria fanimbazimbana ny razana no dikan’ny famakiana fasana. Olona fito no voarohirohy amin’ity raharaha ity ary efa voasambotry ny polisy ny telo tamin’izy ireo, raha mbola karohina fatratra kosa ny ambiny. Araka ny vaovao voaray dia nentina nitety tanàna ireo voasambotra mba hampitandremana izay mety mbola mirotsaka amin’ny asa ratsy tahaka izao. Nambaran’ny polisy fa vokatry ny fiaraha-miasan’ny mponina sy ny fampitam-baovao nataon’ny olon-tsotra no nahafahana nahita ity tambajotra ity. Miantso hatrany ny vahoaka ny mpitandro filaminana mba hanohy hanome vaovao sy hilaza izay ahiahiana rehetra, sady manome toky fa ho tsiambaratelo tanteraka ny loharanom-baovao. Hatao inona ny taolam-paty? Hatreto dia tsy nahitam-baliny izany na dia maro aza ny fanadihadiana niezaka nitady ny antony.
D.R




