Raha noheverina fa mba nilamindamina ny resaka halatra taolam-paty tao amin’ny distrikan’i Vatomandry sy Mahanoro iny, izay tena distrika nahitana halatra taolam-paty be indrindra ho an’ny faritra atsinanana, dia tsy izany ny zava-misy fa misoko mangina hatrany amin’ny famakiana fasana sy fangalarana taolam-paty ireo mpibizina izany. Mandeha ny feo ao Vatomandry sy Mahanoro ao izao fa misy sahy mividy am-polony tapitrisa ariary ny kilao amin’ireo taolam-paty, ka ireo taolan-dava sy ireo efa ela tao am-pasana no tena lafo vidy amin’izany. Vao niainga tany Vatomandry anefa ireto rangahy roa ireto dia efa nahazo fampitam-baovao ny polisim-pirenena teto Toamasina, fa manafina taolam-paty tao anatin’ny entany ary mikasa ny hivarotra izany eto Toamasina izy roa lahy ireto. Nony tonga teo amin’ny fiantsonan’ny fiara taksibrosy anefa dia ny iray ihany no hita ka nosavaina ny entana nentiny, ny faharoa kosa mbola ifampitadiavana, hoy ny kaomisera Razafindahy Manitra Fleurys, ka tratra tamin’izany ireto taolam-paty ireto, izay nambaran’ity tratra ity nandritra ny fakana am-bavany azy, fa nisy nanao komandy tamin’izy ireo tamin’ny alalan’ireo mpijirika sy mpanera izany eto Toamasina. Raha nanontaniana mikasika ireto mampifandray azy roa lahy sy ny milaza ho mpividy ireto taolam-paty anefa ny polisy, dia nilaza izy ireo fa tsy mbola nifanatri-maso tamin’ireto olona ireto akory fa eto Toamasina vao hifanao fotoana. Natolotra ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha ny alarobia 01 aogositra, ka sazy vonjimaika miandry fitsarana am-ponja aloha no azon’ity rangahy ity, alohan’ny hisian’ny fanadihadiana lalin’ny mpitsara izay hanapaka ny fotoam-pitsarana azy roa lahy ireto. Misy taratasy fanenjehana sy fampisamborana azy kosa ilay namany faharoa amin’izao fotoana izao.
Malala Didier