vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra taova : Tovolahy iray hita faty, tsy nisy maso intsony

Halatra taova : Tovolahy iray hita faty, tsy nisy maso intsony

Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tao amin’ny tanànan’i Bekoaky, ao amin’ny kaominina Maromiandra, distrika Toliara II, ny alakamisy lasa teo. Tovolahy iray tokony ho 18 taona mantsy no hita faty tanaty lalakandrano, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any. Araka ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo tonga teny an-toerana niaraka tamin’ny zandary, dia hita fa efa tsy teo intsony ary nentin’ireo tsy mataho-tody ny masony anankiroa. Araka ny fampitam-baovao azo dia efa ny omaly alina, nahitàna azy io, izany hoe ny alarobia alina ity farany no namoy ny ainy, raha ny voalazan’ireo mpitsabo hatrany. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy, araka ny loharanom-baovao hatrany dia avy niala tany amin’ny tanana antsoina hoe Marofatiky izy ary handeha hihazo ny fodiany any Bekoaky, izay samy ao amin’ny kaominina Maromiandra avokoa. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva teo izy no voalaza fa niala tamin’io tanana io, kanefa tsy tody tany amin’ny nisy azy. Niandry azy hatramin’ny alina ireo fianakaviany ary nanomboka tamin’ny fitadiavana ny ampitso maraina. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any no nisy nahita tanaty lakandrano, tsy lavitra akory ny tanana nisy azy, tao Bekoaky ity tovolahy, saingy efa vatana mangatsiaka sisa no hitan’ireo mpikaroka, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Tamin’io fotoana io ihany moa efa nampandrenesina avokoa ireo tompon’andraikitry ny filaminana, miaraka tamin’ireo tompon’andraikitry ny tanana ary ny mpitsabo. Tamin’ny fomba feno habibiana tokoa no namonoan’ireo tsy valahara an’ity tovolahy, raha ny voalaza. Ary tsy vitan’izay fa mbola io nesorina sy nangalarina io ny voamasony. Taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo moa dia natolotra ny fianakaviany ny razana. Efa eny am-pelatanan’ny zandary avy ao amin’ny tobin-jana-paritry ny zandary ao Mangily kosa moa ny raharaha amin’izao, entina hikarohana ireo nahavanon-doza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici