- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra zaza moana : Nidoboka am- ponja ny ben'ny tanànan' Ilakakabe

Halatra zaza moana : Nidoboka am- ponja ny ben’ny tanànan’ Ilakakabe

Ireo telolahy nanatanteraka ny fakana ankeriny an’ilay zaza moana.

Nosamborin’ny zandary ary nanaovana fanadihadiana sy naiditra am-ponja avy hatrany ny ben’ny tanànan’Ilakakabe. Halatra zaza moana sy fikasana hanapa-doha no nahavosaringotra azy ka izao nampidoboka am- ponja vonjimaika azy izao. Olona telo hafa nifanondro ho mpiray tsikombakomba tamin’ity raharaha ity ihany koa no niaraka nosamborina sy naiditra am-ponja. Raha tsiahivina dia ny 26 jona teo no nitrangan’ny fakana an- keriny sy fikasana hanapa-doha zazalahy moana iray tany an-toerana, ary dia izao sarona izao izy efa-dahy ireto. Tsy afa-niala Ingahy ben’ny tanàna nanoloana ny fanondroan’ireo telo lahy azy. Ny fanadihadiana rahateo nanamafy ny maha tafiditra azy ao anatin’ity raharaha maloto ity. Toe-javatra izay mahazo vahana any amin’ny faritra tato ho ato. Rehefa tsy zaza varira dia ankizy mety manana fahasembanana indray ataon’ireo lasibatra.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici