Zazavavy kely, varira na “albinos” iray no nokasain’ity olon-dratsy ity sy ny namany nalaina an-keriny tao an-trano fonenany tao Miary, Toliara II, ny sabotsy lasa teo. Raha ny fitantaran’ny reniben’ity zaza ity dia nanao akanjon’ny zandary ny iray tamin’izy ireo, saingy mailo avy hatrany ity vaviantitra ity ka niantso vonjy tamin’ny fokonolona.
Ny zava-nisy. Tamin’io fotoana io, niditra avy hatrany tao an-tokantrano nisy an’ity zaza varira ity, tao Miary, ny olona anankiroa, nirongo basy. Efatra izy ireo, hoy ny fitantaran’ilay reniben’ilay zaza, saingy ny roa angamba niandry tany ivelany ary ireo roa ireo ihany no niditra. Ny iray tamin’izy ireo dia nitondra basy fampiasan’ny mpitandro filaminana sady nanao fitafy tahaka izay rahateo. Ny hitaky ity zazakely ity moa no nataon’izy ireo avy hatrany. Fihetsika hafahafa tanteraka avy amin’ny mpitandro filaminana, ka nahatonga ilay vaviantitra niantso vonjy sy hazolava tamin’ireo fokonolona. Vantany vao tamy ireo fokonolona, nandre ny antso vonjin’ilay ramatoabe, dia nanao tari-dositra nitsoaka avy hatrany ireo tao an-trano sy ny tany ivelany. Raikitra teo ny fifanenjehana. Tafaporitsaka, hoy ny vaovao, ny telo, saingy voasambotr’izy ireo kosa ilay iray, nanao fitafiana zandary, niaraka tamin’ny basy teny aminy. Mazava ho azy fa efa niharan’ny daroka sy vono ity farany. Tamin’izay no tonga tany an-toerana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Toliara, rehefa nampandrenesina mahakasika ny tranga. Voamarina teo moa fa tsy zandary velively ilay olona tratra fa mpisandoka. Teo ihany dia efa nentina nihazo ny birao izany olon-dratsy izany. Notazomina natao andrimaso sy nanaovana famotorana. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity sy ny fikarohana ireo mpangalatra olona hafa, namany.
m.L